Toy ny vara-datsaka sy fanesoana ny vahoaka Malagasy hatramin’izao ary tena hotsaroan’ny tantara mihitsy ny kabarin’ny filoham-pirenena farany teo nandritry ny fifampiarahabana nahatratra ny taona teny Iavoloha.
Fitohizan’ny fisandratana, hono, ny taona 2018 raha ny sorabaventy misary teny filamatra napetraka tery amin’ny lapihazo fampisehoana rindrankira. Fisandratana taiza sy oviana ary ahoana ? Ilay solika misondro-bidy matetika ve no antsoina hoe fisandratana sa ilay vidim-bary niakatra avo roa heny efa ho manerana ny nosy ? Niresaka ny maha zava-dehibe ny kolontsaina sy ny maha izy azy ny firenena sy ny olom-pirenena ao aminy ny filoham-pirenena. Manandratra sy ahafaha-manandratra izany ihany koa ve ny zava-misy iainana sy niainana tao anatin’ny 4 taona ? Na ny lalam-barotra ho an’ny foto-tsakafo aza efa vahiny marobe no nomena azy ary mahazo vahana amin’izao voina nateraky ny rivodoza izao. Izany filazana fa voatery niditra tamin’ny fanafarana izany foana no fialana bala. Iza anefa no tsy nahay nanentana ny vahoakany hikajy ny htontolo iainana nahafahana nisoroka ny haintany ? 70% “sisa” no mahantra raha 92% teo aloha ? Ny FMI indray ve no nandainga raha namoaka ilay tarehimarika farany teo izay nilaza fa nihemotra isika ary tafiditra ao anatin’ireo 5 voalohany amin’ny tany mahantra eto ambonin’ny tany ary latsaka ambany irony tany miady irony ? Sao dia mba tokony hampianarina ny famaritana ny fisandratana ary ny ao ambony ao ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.