Edito

Firingana hevitra sisa


  • Alarobia 27 Janoary 2021

Izao angamba izany no tonga amin’ilay fitenenana hoe lany bala. Efa tsy mahita

 

 

hevitra vokatry ny saina intsony entina manamarina izay mba foto-keviny, raha manana fotokevitra, ny olona sasany dia any amin’ny herisetra ara-pitenenana sy fikitihana fiainan’olona manokana sisa no mba heviriny hahafahana manohana izany. Asa aloha izay tena mihevitra ny hahita tombony amin’ny fanirahana ireo olona hanatontosa ireny karazana fanaratsiana maro ireny fa dia azo lazaina ho olona faran’ny mahonena ihany ary tena mandrora mitsilany. Mety tsy ilay olona na vondron’olona heveriny ho “manokana” tiany ho lotoina loatra no tena potika ao anatin’ilay politika malotony fa ilay fiarahamonina Malagasy izay misy azy mihitsy no potehiny sy mbola sarihiny hankafy karazam-pahantrana hafa ankoatry ny fahantrana efa hitan’ny masony sy iainany. Firingana hevitra sisa no mba fanabeazana fototra ezahana volena eto amin’ity firenena ity ary mampahatsiahy ny fanehoan-kevitr’ilay mpamakafaka iray izay hoe vao miha isika ho lohalaharana amin’ny firenena mahantra eto ambonin’ny tany raha izao no tohizana hatrany.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT