Firenena marary, mpitondra

jamba sy marenina ! Eo anatrehan’ny


  • Zoma 05 Septambra 2025

fiainam-pirenena ankehitriny, dia miharihary fa marary i Madagasikara.

Marary amin’ny tsy fahafantarana ny tena olana, marary amin’ny tsy fihainoana, marary amin’ny fanilihana izay rehetra miteny. Jamba sy marenina ny fitondrana, tsy te hahalala afa-tsy ny tenany, tsy te hihaino afa-tsy ny feony. Tsy misy arofanina intsony, satria izay miteny sy mitsikera ny tsy mety sokajiana ho fahavalo. Tsy vao omaly sy androany no nisy fanairana. Nisy antso avo nataon’ny olobe sy Raiamandreny, nisy fanambarana nataon’ny Fiangonana, nisy fanehoan-kevitra avy amin’ny mpahay lalàna sy mpandinika. Fa henoy izany ry hazon-damosiko no setriny. Mampaneno lakolosy ny Fiangonana, fa toa tsy henoina na tsy raharahiana ka asa iza sisa no andrasana hiteny sy hananatra vao hanetry tena hanaiky ny tsy mety sy hanitsy ny dia ? Mety saropady sy mila fitandremana ity saingy tsikaritra sy hita taratra ny fitodihana amin’ireo vondrom-pivavahana samihafa, ka sanatria toa tiana hanaovana fifandanjan-kery ara-pivavahana ? Samy Malagasy ny any anatin’ireny, samy mitady famonjena, samy manana ny heveriny fa mahasoa azy, ka enga anie mba ho sanatrian’ny vava ny hilalaovana ny resaka finoana sy fivavahana amin’ny resaka fifandanjan-kery ara-politika. Ny tiana hotsindriana dia ny hoe : manimba ny fototry ijoroan’ny demokrasia ny fanaovana tsinontsinona ny antso sy ny fanamarihana momba ny fiainam-pirenena na hita aza fa misy marina sy tokony horaisina. Ny fandavana ny fanitsiana dia manakana ny fandrosoana. Fa ny tena mampahonena dia ny fomba fiatrehan’ny mpitondra amin’ny zava-mitranga: fanamarinan-tena, fanadiovan-tena, fitadiavana ala bala. Tsy misy fandraisana andraikitra, tsy misy fanekena fa nisy tsy nety, fa kabary fihantsaiana aza no mbola betsaka. Raha tsy misy fahatsiarovan-tena, raha tsy misy fihainoana marina, dia hihamafy ny fahasimbana ara-tsosialy sy ara-pitondrantena. Tsy fanonganam-panjakana no ilaina, fa fanonganana ny fomba fitondra jamba sy marenina. Tsy fifandanjan-kery ara-pivavahana no vahaolana, fa fifandanjan-kevitra ara-piarahamonina. Tsy fanadiovan-tena no tokony hatao, fa fanadiovana rafitra sy fanarenana ny fifampitokisana.,..
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT