Edito

Firenena inona loatra ?


  • Alarobia 21 Desambra 2016

Vaovao nafampana sy nahasarika ny sain’ny ankamaroan’ny olona omaly ny fitsarana ilay mpanao politika iray nosamborina noho ny savorovoro nitranga tany Soamahamanina, telo volana lasa izay.


 Tsy dia mikasika ilay vokatra loatra no tena maha lasa ny saina fa ilay fihetsika mianakavy mihitsy manoloana ny fiatrehana sy fihainoana didim-pitsarana toy ireny. Ekena fa nisy ny tsy fahatongavana vavolombelona. Nisy ihany koa fangatahana izay tsy neken’ny avy eo anivon’ny fampanoavana ka nahatonga horakoraka hila tsy hifandrenesana tao an-dapam-pitsarana. Araka ny lalàna dia tsy azo atao ny mihorakoraka na mitabataba anatin’ireny lapam-pitsarana ireny. Ankehitriny anefa dia efa zary tandra vadin-koditr’ireo mpanotrona ny fihorakorahana noho ny tsy fahafaham-po amin’ny didy mivoaka. Nitrangan’ny toy izany koa tamin’ny fitsarana ilay raharahana mpitarika hetsiky ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, Jean Pierre Randrianamboarina ny taona 2015. Ny niantombohany dia tamin’ny taona 2002 izay nanambaran’ny filohan’ny HCC ny valim-pifidianana filoham-pirenena tamin’ny fotoan’androny. Dia ho tsinin’ireo vahoaka ve sa  mariky ny tsy fahatokisana ny fitsarana sy fahaverezan’ny hasim-pitsarana eto amintsika ? Firenena inona loatra ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT