Firenena efa tsy misy olobe !?

Ny omaly tsy miova, fa vao mainka miharatsy hatrany ny


  • Alakamisy 05 Jona 2025

fiainana politika sy ny fitantanana Firenena e ! Raha toa nangingina sy tsy

re feo firy ny mpanohitra dia miha manako hatrany kosa ny rombo sy gidragidra ao anaty Fanjakana ao. Toa tsy voafehy sy tsy voalamina anatiny intsony, fa tonga amin’ilay fitenenenana hoe : « manahy vary !». Mifamely, mifanebaka, mifamingana,… raha tarafina amin’ny gidragidran’ny olom-boafidy sy olom-boatendry, ny samy mpitarika rafitra na andrim-panjakana,… Taratry ny fikorontanan’ny Fanjakana, fisavoritahan’ny fitondrana, izay tsy voafehy. Ny mpiara-misaika ao anaty Fitondrana no toa mifamango ka fitantanana sy fampandrosoana inona intsony moa no ho vanona amin’izany. Tsy adala ihany koa anefa ny Ntsao nanao ilay oha-pitenenana hoe : « Ny tany tsy misy olobe tsy miady zaza ! ». Matoa tonga amin’io, dia tsy mipetraka amin’ny maha izy azy ilay lazaina fa olobe, tsy mahavita mampiombona, tsy mahavita mandravona,… Ireo olom-bitsy aza efa io abaribarin’ny zava-misy io ny tsy fahaizana misoroka ny fahafaham-barakan’ilay Fitondrana sy ny fiaraha-misaika mainka fa ny vahoaka 30 tapitrisa ? Dia mbola azo lazaina ho mahafehy Firenena ve ? Ny mpitondra miady an-trano, ny vahoaka miady amin’ny fahantrana ary resy tanteraka, ny toekerana sy ny sosialy miha zava-doza,… Mbola hanantena fahagagana ve ? Mbola hino sy hatoky ny lainga sy fampanantenana poakaty ? Akoho tsy naneno ohatr’izay efa lanin’ny kary e !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT