Firenena adino amin’ny fampandrosoana

Fomba fitenin’ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny rehefa manao


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

fitsidiham-paritra ny hoe tsy misy distrika adino intsony amin’ny fampandrosoana.

Raha ireo tombana na «bilan» sy ireo tarehimarika isan-karazany nomen’ireo sehatra iraisampirenena toy ny tahirim-bola iraisampirenena sy ny firenena mikambana nefa izany izao dia efa firenena adino amin’ny fampandrosoana mihitsy ankehitriny ity Madagasikara ity fa tsy ireo distrika ao aminy ihany. Ny renivohiny no farany maloto indrindra aty Afrika. Mahantra indrindra eran-tany ihany koa ilay firenena ary tsy misy izay tsy mahafantatra izany. Mahantra amin’ny lafiny toekarena. Tara amin’ny fampandrosoana ny lafiny mahaolona mba tsy ilazana hoe mahantra amin’izay lafiny izay ihany koa. Mahantra ara-tsosialy. Miaina anaty tsy fanjariana samihafa na hoe «précarité» ny mponina. Ny vidim-piainana midangana nefa ny karama izay efa ho efa-taona fara fahakeliny no tsy nisy fiakarana, ho an’ireo izay mbola mba manana asa fivelomana moa izany. Ireo tsy an’asa izany vao mainka loza no mahazo azy. Miakatra ny vidim-piainana nefa ny vola miditra tsy mba miakatra toy izany fa milatsaka aza ny an’ny sasany. Manambana hiakatra koa io ny vidin-tsolika sy saram-pitaterana. Ny tsy fandriampahalemana mbola mirongatra sy miseho amin’ny endriny rehetra na any ambanivolo na ety an-tanàn-dehibe. Tsy niova nefa ny olona natao hitarika izany fikatsahana fampandrosoana izany. Raha any amin’ny baolina kitra izy dia hoe tsy niova ny mpanazatra sy mpitantana ny ekipa fa dia ireo mbola tsy nahatafavoaka ihany. Mbola ireny voatanisan’ny olompirenena amin’ny tambazotra samihafa ireny ny lalana potika. Misy voalaza fa tapaka hatrany amin’ny 5 volana any mihitsy ny sasany, misy fotoana. Io mitoetra io ihany koa ny olan’ny JIRAMA ary efa mitady hanipy fonontanana hatramin’ny vazaha. Nibaboka mihitsy hoe tsy vita raha tsy misy famatsiam-bola izy ity! Fahagagana sisa andrandraina ary tena hirariana fatratra mihitsy aza angamba hoe enga anie mba hisy amin’izay amin’ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT