Firehana sa fahamarinana?

Tena mafy ny mahazo ny vahoaka malagasy ankehitriny! Rehefa


  • Talata 21 Mey 2024

mijery ny zava-nanjo ny malagasy sasany izay nahita sy nizara ny fandaharam-potoanan’ny

filoham-pirenena hatramin’ny fiafaran’ity fampielezan-kevitr’ireo solombavambahoaka ity izay nahatonga famakafakana sy fitsikerana maro mikasika ny tsy fitanilàna na fitanilàn’ny atao hoe filoham-pirenena na koa hoe andrim-panjakana eto amin’ny firenena ao anatin’izao vanim-potoam-pifidianana izao izany dia lasa miisa 2 ny endrika safidy toa ampanaovin’ity fitondrana ity ny vahoaka malagasy manontolo. Firehana sa fahamarinana? Ny marimarina kokoa aza dia firehana manohana ny fitondrana sa fikatsahana ny fahamarinana sy mangaraharaha eto amin’ity firenena ity? Inona moa izany no tena maha fahotana mahafaty ny mampahafantatra mialoha ny fandaharam-potoanan’ny filoham-pirenena rehefa hivoaka ivelan’i Madagasikara na hitety faritra izy raha toa ka tena ilain’ny firenena sy tsy mivoana amin’ny lalàna velona ny fanaovany izany fivoahana isan-karazany izany? Ireny ihany koa ve moa matoa mivoaka tsy ho avy ao an-dapa tao ihany no nipoirany? Raha heloka ny mamoaka an’ilay izy, tsy izay namoaka azy tao ve izany no tena diso? Tsy ireny ve no sokajiana amin’ny fanaovan-gazety hoe tranga hita mialoha na hoe «scoop» ho an’ilay mpanao gazety namoaka azy voalohany? Averina hatrany hoe andrasana izany izao ny CENI sy HCC handray andraikitra amin’ireo tsy fanarahan-dalàna miseho eo amin’ny tontolom-pifidianana izay tsikerain’ireo sehatra samihafa na fiangonana io na antoko sy vondrona politika na fiarahamonim-pirenena. Hita manotrona hatrany ireo kandida miloko volomboasary na hoe mitondra ny loko sy firehana politikan’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny filoham-pirenena amin’ireo fitetezam-paritra ataony. Mampiasa ny anaran’ny filoham-pirenena na koa azo lazaina hoe anarana andrim-panjakana ny vondrona politika volomboasary ao anatin’izao fifidianana solombavambahoaka izao. Azo sary mitondra kodiaran-droa nefa tsy manao aro loha ireo mpiaradia amin’ny kandida tohanan’ny fitondrana nefa tsy misy sahy manakana satria mitafy volomboasary. Aiza ihany ao anatin’izany rehetra izany ilay CENI sy HCC hoe handray ny andraikiny ary tsy hitanila amin’ny fanapahan-kevitra fa hanasazy izay tsy manara-dalàna rehetra na mpanohitra io na mpitondra sy mpanaradia azy ireo?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT