Edito

Fiompiana trondro Nanatanteraka atrikasa ny teknisianin’ny FOFIFA


  • Talata 01 Jolay 2014

Notanterahina omaly tetsy amin’ny foiben’ny FOFIFA Ampandrianomby ny fandinihana ny tohin’ny tetikasa MADA PISCI izay efa natomboka tamin’ny taona 2011 ka izao natolotra izao

Raha ny fantatra dia miha ratsy ny vokatra azo eo amin’ity lalam-piompiana iray ity ka izao nitondrana fanatsarana izao. Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra dia mihena ny lanjan’ny trondro azo, tany  aloha raha toa ka 3 volana dia mahazo 1kg, izao kosa ao anatin’ny 5 volana mila tsy ho azo io lanja io, ka izany indrindra no anton’izao atrikasa izao raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny FOFIFA Atoa Lala Razafinjara. Raha ny voalaza ihany anefa dia mahatratra hatramin’ny dimy alina sy iray hetsy hektara ny tanimbary azo iompiana ireto karazan-trondro ireto eto Madagasikara ary mila trandrahina tsara mba hampiroborobo ny vokatra sy hahatsara azy hatrany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT