Misongadina eto amintsika ankehitriny ny sehatry ny finoana satria samy miatrika fotoan-dehibe ny fiangonana roa azo ambara fa goavana eto Madagasikara.
Ny EKAR (Katolika) dia hiatrika ny JMJ na Andron’ny tanora any Antsiranana, fa eo ihany koa ny fahatongavan’ny sisan-taolambalon’ny Md Don Bosco any Toliara. Ny FJKM (Protestanta) kosa indray dia manatanteraka ny synoda lehibe any Manakara, fihaonambe fanao isaky ny efa-taona ka manamarika azy ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny birao foibe, andrasan’ny maro izay mety ho voafidy ho filohan’ny FJKM. Hiova ve sa voatazona amin’ny toerany ihany ny mpitandrina Lala Rasendrahasina ? Raha nandalo teto ihany koa ny iraky ny Troikan’ny SADC notarihan’i Marius Fransman dia nitafa tamin’ny FFKM, ary namerina ny fiantsoana ity rafitra ity mba handray anjara mavitrika amin’ny fandaminana ny krizy. Isaky ny ny sabotsy sy alahady dia feno hipoka koa ireo karazam-piangonana misy, raha ny eto an-drenivohitra aloha no jerena. Maro dia maro ny vavaka fangataham-pitahiana ho an’ny firenena. Izany rehetra izany dia misy sy mitranga, kanefa tsy mbola mety ahitana mangirana ihany ny fivahan’ny krizy.
Koa lasa ihany ny eritreritra eto hoe : sao dia fihetsiketsehana fotsiny ary no betsaka eto e ? Tsy mahomby ny fifampidinihana, mikatso ny fanelanelanana, mitombo ny asan-dahalo ary toa vao miha mifandrafy ireo ankolafy. Mampiady hevitra ny maro ny fisalasalan’ny FFKM hiditra amin’ny fanelanelanana. Misy tsy fitovian-kevitra ve eo amin’ireo filoham-piangonana, sa nisafidy ny tsy hifampikasokasoka amin’ny politika ny FFKM. Ka raha izay no izy, nahoana no tsy ambara mazava ny tena marina ? Ny mpino Kristianina dia mahalala tsara ilay atao hoe : vavaka mihambahamba, izay tsy mitarika fitahiana fa vao mainka aza miteraka fanozonana ho an’ireo izay manao azy. Ambara foana fa manankarena ity Nosy ity no sady notahian’Andriamanitra, mitombo isam-bolana anefa ny fahorian’ny Malagasy, malaza eto ny klioba satanika, manjaka eto ny kolikoly, misy ny halatra sy fangoronan-karena avo lenta eto.
Efa namaky bantsilana an’izany ihany ny FFKM, fa toa tsy nanova zavatra ilay izy, vao miha aza niroborobo ny halatra sy ny herisetra ary ny famonoan’olona. Malaza eto izao ny finoana sy fivavahana, ary tena mbola misy ny olona mino sady manantena fa Andriamanitra irery ihany no mahavaha izao krizy izao, izy no manana ny tondrozotra tena tonga lafatra fa fitaovana ihany ny olombelona. Misy ampahan’olona mihevitra fa dia nisy lesona ratsy nampidirin’ny mpanjanaka tany an-tsain’ny mpanao politika Malagasy dia ilay hoe : «laïcite de l’Etat» na fampisarahana ny fivavahana amin’ny fitantanana ny firenena. Samy manana ny foto-kevitra ijoroany anefa ny tsirairay avy ary samy manana ny finoany. Amin’ny ankapobeny dia azo sokajiana ho firenena Kristianina i Madagasikara, ka anjaran’ny tsirairay no mandinika hoe nitondra nankaiza ny finoana sy ny fivavahana hatramin’izay ? Tena mivavaka marina ve ramalagasy sa manao vavaka mihambahamba ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.