Edito

Finoana


  • Alakamisy 16 Aogositra 2012

Misintona ny sain'ny mpanara-baovao amin'ity herinandro ity ny synoda lehiben'ny Fjkm any Manakara.

 Ny antony dia satria hisy ny fifidianana ireo mpikambana ao amin'ny birao foibe. Raha ny resaka efa mandeha etsy sy eroa dia miisa roa ny kandida azo ambara hoe ngeza sy matanjaka, dia ny mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina, filoha am-perinasan'ny Fjkm efa nahavita fotoam-piasana roa sy ny mpitandrina Nestor Razafindramanitra, mpikambana tao amin'ny FINONA anisan'ny nikarakara ny fihaonambem-pirenena tamin'ny 2010. Amin'ny rehetra dia kandidan'ny fitondrana tetezamita izy, mba handresy ny filohan'ny Fjkm am-perinasa. Ny mpitondra no niova fa ny fomba fanao dia mitoetra ihany. Miezaka mifehy izay rehetra azo fehezina ireo manampahefana.

Re fa tena miasa mafy mba hahatafiditra ny olony amin'ny fitantanana ny Fjkm ny FAT. Ny olana amin'ity resaka ity anefa dia mety ho lasa hampizara fa tsy hampiray ny Fjkm ilay Synoda lehibe any Manakara io, noho ny fibaribarian'ny fisian'ny ankolafy ao anatin'ity Fiangonana ity. Lohahevitra dinihan'ny Fjkm sy ifotoran'ny fampianarana amin'ity volana Aogositra ity ny hoe : "mamboly firaisan-tsaina ny marina". Izay ny lohahevitra, saingy tsy mora ny fanatanterahana azy. Mifanojo indrindra amin'ny fisian'ny Synoda lehibe any Manakara io lohahevitra io. Mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe : aiza ho aiza marina ary ny firaisan-tsaina eo anivon'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara, sa dia efa mizarazara ny fomba fijery sy ny fomba fisainana ? Tsy tenenina am-bava fotsiny ny finoana sy fivavahana fa mila asa mivaingana, mifanojo amin'ity Synoda lehiben'ny Fjkm ity, dia manatanteraka ny JMJ na andron'ny tanora any Antsiranana ihany koa ny EKAR (Katolika). Fivavahana sy fiderana an'Andriamanitra avokoa izany rehetra izany.

Tena maro be ny antokom-pinoana eto, misimisy ihany ny vavaka asandratra isan'andro, saingy ny zava-misy sy hita maso aloha dia sahirana i Madagasikara ary tena mbola mahazo vahana eto ny ratsy. Tsy mety miarin-doha ny firenena satria manjaka eto ny risoriso sy ny fahalovana, mitombo isa ny afera maizina sy ny bizna maloto. Ho an'ny mpino Kristiana dia tsy olana ara-politika fotsiny no mahatonga ny krizy eto, fa tena noho ny asan'ny maizina ka ny Malagasy rehetra mihitsy no mila miova fo, fa na tondrozotra aman-jatony aza no arafitra eto dia tsy hivaha ny krizy raha mbola manjaka eto ny fanahy ratsy. Sarotra dia sarotra anefa ny miady hevitra sy mifandresy lahatra amin'io resaka finoana io, fa dia anjaran'ny tsirairay no mandini-tena sy mieritreritra lalina ny amin'izay tokony hataony. Fa ny azo antoka kosa aloha dia tsy hisy zava-banona izany eto raha toa ka miditra any amin'ny fiainam-piangonana ny politika sy ny vola e ! 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT