Edito

Finiavana sisa


  • Alakamisy 06 Aprily 2023

Mifamahofaho ny toe-draharaham-pirenena. Mifanasa vangy eny amin’ny tambazotran-tserasera ny sasany amin’ny samy ao anaty fitondrana ao.

Tsy vitsy ireo fa maromaro ary iarahan’ny rehetra mahita izany fa tsy mila tanisaina akory. Ny sasany aza moa any anaty haino aman-jery any mihitsy no mifandimby mifamaly. Etsy ankilan’izay, na dia mifandrirotra eo amin’ny resaka fikaonandoham-pirenena, fanadiovana ny tokontanim-pifidianana ary ny amin’ny tokony hanatanterahana ara-potoana ny fifidianana aza amin’izao fotoana izao ny ivon’ny adihevitra politika eto amin’ity Madagasikara ity, dia miha tafiditra hatrany anatin’ny antsoina hoe «ambiance électorale» na tontolom-pifidianana ny firenena. Mandeha ny fitetezam-paritra sy fanaovana serasera isan-karazany ho fampahafantaran’ireo mpisehatra politika, na ireo efa nilaza azy ho kandida io na tsia, ny fikasany raha toa ka tonga eo amin’ny fitantanana ity Madagasikara ity na koa ny vinam-piarahamonin’izy ireo. Hita ho saika mitovitovy avokoa ny voatoatiny. Voaresaka ny tontolo ambanivohitra, ny fanabeazana, ny fifandraisana iraisampirenena, ny fikajiana ny tontolo iainana, ny tekinolojia, ny fampandrosoana isam-paritra sy izay heverina fa mety ho lalana hitondra an’ity Madagasikara ity any amin’ny fampandrosoana. Izany hoe fantatr’ireo mpanao politika ihany izany, na ireo efa nahazo fitondrana io sy mbola ao anatin’izany sy ireo ivelan’ny fitondrana mikasa hiditra ao, hoe inona na inona avy no tena olan’ity firenena ity saingy… finiavana sisa andrasana!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT