Edito

Film efa nandeha !


  • Alakamisy 26 Mey 2011

Mazava ny paikadin’i Andry Rajoelina momba ny fihaonana any Gaborone, fa dia tahaka ny nataony mialoha ny fivoriana tany Pretoria ka nanambarany fa fanaovan-tsonia sisa no atao any fa tsy misy izany adihevitra izany intsony.

 Nandritra io fihaonana tany Pretoria io moa dia tonga tany an-toerana mihitsy i Alain Joyandet, minisitra Frantsay misahana fiaraha-miasa nitady ny fomba rehetra hanatanterahana ny sonia mba hanomezana rariny ny FAT tarihan’i Andry Rajoelina ary hanilihana tanteraka an’i Marc Ravalomanana, saingy tsy nahomby ny tetika ary dia nitsefotra ny dinika. Dia nisahotaka teto Madagasikara taorian’izay, indrindra teny anivon’ireo toby miaramila samihafa toy ny FIGN, BANI. Taorian’iny koa dia noesorina tsy ho anisan’ny mpikambana tao amin’ny governemanta Frantsay intsony i Alain Joyandet.

Mitady mbola hamerina izany paikady hafahafa izany i Andry Rajoelina ankehitriny ka milaza fa sonia no hatao any Gaborone na dia efa mazava aza ny voasoratra ao amin’ilay andininy faha-13 amin’ny fanambarana navoakan’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Sadc ny zoma 20 mey 2011 fa fihaonana hikaroham-bahaolana maharitra mba hivoahana tanteraka amin’ny krizy ka handraisan’ireo tompon’antoka rehetra anjara no hotanterahana fa tsy misy milaza mihitsy ao na dia fehezanteny iray aza fa fanaovan-tsonia ny sori-dalana no hatao any Gaborone. Manampy izany dia ao anatin’ny paik’ady politika mifangaro amina filam-banona kely ny filazan’ny filohan’ny FAT fa tsy anisan’ireo nanao rangopohy io sori-dalana io ny tenany, izany hoe tsy voatery hanasonia izy raha misy ny fanaovan-tsonia, sy ny hoe ho avy any Gaborone izy raha voaasa manokana amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy. Ny fanasana moa dia azo antoka fa tsy maintsy ho avy. Ny hiroso avy hatrany amin’ny fanaovan-tsonia no mety tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’io 5 jona io. Mety hirintona hivoaka ny efitrano fivoriana tahaka ny nataony tany Maputo indray izany i Andry Rajoelina dia handray fiaramanidina ka hody eto Madagasikara dia hanao fanambarana fa efa natao ny ala nenina rehetra saingy misy mihitsy ireo minia mitsivalana amin’ny fananganana ny tetezamita koa dia hanohy ny diany ny FAT n’iza faly n’iza tezitra.

Dia hikorontana tanteraka ny zava-drehetra dia ho avy ny fanosoram-potaka faran’izay matevina ireo mitarika ny Ankolafy 3 ary mety hipoitra indray ny raharaha baomba etsy sy eroa dia ho avy ny fisamborana, dia hisy indray governemanta vaovao hitsangana, dia hampitomboina ny mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ka omena fahafaham-po ireo izay tsy nahazo seza rehetra ary ampidirina any am-ponja izay miseho ho mafy loha. Moa va tsy «film efa nandeha» izany rehetra izany ? Efa fantatry ny maro ihany ny mpilalao fototra ao anatiny sy manao ny haingon-tsehatra rehetra !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT