Sahirana tanteraka manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny ny ankamaroan’ny Malagasy.
Niainana teto efa ho 2 volana sy tapany izao mahery izao ny krizy ara-pahasalamana izay nivimbina krisy sosialy sy toekarena ihany. Io ampohombana izany io koa moa ny krizy ara-kolontsaina sy ara-tantara izay miseho amin’ity fikitihana vakoka mampiady hevitra etsy sy eroa ity. Io rahateo no tena hita ho nibahana ny fandaharana manokana niarahana tamin’ny filoham-pirenena ny alahady teo ary niarovany tena tamin’ny alalan’ny filazana fa fanotana fady mihoatra lavitra ity mitranga anaty rova ity ny famindrana taolambalo tao anaty rova. Efa nanazava ny anton’iny moa ny tompon’antoka sy ireo mpandalina sy mpandala fomba fa famerenana amin’ny toerany ireo taolambalo teny Ambohimanga izay nafindran’ny mpanjanaka teny anaty rovan’Antananarivo no natao tamin’izany. Fomban-drazana nifandovana teo amin’ny tantara mihitsy ny “fanafenana” ny razan’ireo mpanjaka satria izany no fomba voarakitry ny tantara. Fanazavan’ilay nanao azy sy manohana iny fihetsika tamin’ny 2005 iny io saingy raha mitsara izany ho tsy mendrika na fanotana fady ny fitondrana ankehitriny dia midika ve izany fa tokony hanota fady koa izy satria ny teo alohany aza mba nanao? Naverina hatrany fa vavolombelon’ny tantara ary mifono kolontsaina lalina ireny vakoka ireny. Noraisina, ohatra, matetika moa ny mikasika ny Pyramide du Louvre manoloana ny Palais du Louvre ao Frantsa. Efa talohan’ny taona 1764 no nanana rohy ara-tantara lalina sy feno haren-tsaina ny firenena frantsay sy egiptianina, raha ny filazan’ireo mpandinika azy ary tsy sarotra zahana izany ho an’ireo izay liana amin’izao andron’ny hairaha vaovao izao. Ny “Symbole de la renaissance Africaine” ao Senegal moa dia efa, araka izany anarany izany ny ampahany amin’ny kolontsaina tian’ny filoha, Abdoulay Wade, ho raketiny tamin’ny fotoan’androny fa ho mariky fiaingana vaovao ho an’i Afrika eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy fandrosoana izany. Ny nanaitra indrindra dia ny nahita ny solontenan’ireo heverina fa solontenan’ny filankevitra hanelanelana ity raharaha ity izay toa tsy mba isan’ny nanao izay asa izay fa toa naka firehana ihany koa ary nanao fitsarana enti-milaza fa ny teo aloha no tena diso tokoa. Sa ve niofo ho filankevitry ny fisolehana ihany koa ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.