Edito

Filam-boatsiary


  • Alakamisy 01 Aprily 2010


Fanomanana fifidianana malalaka, mangarahara, ankatoavin’ny daholobe ary hatao faran’izay haingana. Izay no teny niverimberina tamin’ny fihaonan’ny iraka frantsay notarihin’i Alain Joyandet, Sekreteram-panjakana frantsay momba ny fiaraha-miasa sy ny frankôfônia, tamin’ireo filohan’ny ankolafy politika roa eto an-toerana, dia ny Pr Zafy Albert sy Andry Rajoelina. Tselatra ny fandalovan’izy ireo teto, omaly ihany, avy eo dia nihazo an’i Afrika Atsimo hihaona amin’i Marc Ravalomanana. Didier Ratsiraka moa efa any Frantsa rahateo, ka izy izany no hamarana ny fihaonana. Ny fanambarana niainga avy amin’ny masoivoho frantsay eto an-toerana no manamarika fa tsy mbola tapitra ny lalana sy ny vahaolana samy malagasy hamahana ny krizy na eo aza ny sazy navoakan’ny Firaisambe Afrikanina, ka dia io resaka fifidianana io no nampirisihany hirosoana. Ny marihina dia tsy vao izao ny Frantsay no nampirisika ny hirosoana amin’ny fifidianana, na tsy nambarany mazava aza tamin’ity indray mitoraka ity izay karazana fifidianana hatao. Manaraka izay indray, koa satria fifidianana ankatoavin’ny daholobe no natsidiny, dia gaga ihany ny mpanara-baovao amin’ny tsy ananan’ny Frantsay fahasahiana milaza fa izay anie ilay fifanarahana vita sonia tany Maputo e ! 

Fifanarahana izay nankatoavin’ny hery politika malagasy sy fiarahamonina sivily. Nisy mihitsy ny fanaovan-tsonia tao amin’ny Carlton ny sabotsy 21 septambra 2009 nanamafisan’izy ireo izany ; Fikambanana sy antoko politika fitopolo teo no nanao sonia ny fifanarahana ary nahazo ny fankasitrahan’izao tontolo izao. Manaraka izay indray dia tsy nanondro mazava ny fomba hahatongavana amin’izany fifidianana malalaka, mangarahara, ankatoavin’ny daholobe izany ireto iraka frantsay ireto tamin’ny fanambarana nataony, eny fa na ny nivoaka tao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita aza, nefa dia voasoratra mazava mainty sy fotsy ao amin’ny fifanarahan’i Maputo ny dingana harahina, sy ny tetiandro, mitondra mankany amin’izany, miainga amin’ny fampihavanam-pirenena. Ary voatondro ao anatin’i Maputo ny hananganana ny CNR (Filankevi-pirenena ho an’ny fampihavanana) tarihin’ny Pr Zafy Albert. Ka filam-boatsiary sy fandaniana andro ny ankoatra izay. Fahavononana sy finiavana politika no andrasana, avy amn’ny ankolafy Rajoelina indrindra indrindra, hamaranana ny krizy fa efa mijaly loatra ny vahoaka, latsaka an-katerena ny firenena, ary tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT