Edito

Fikatsoana manara-penitra


  • Talata 05 Oktobra 2021

Samy manana ny maso ijereny sy ny fandinihana itantarany ny zava-misy moa ny olompirenena rehetra sy ny mpanara-baovao.

 Miankina amin’ny firehan-tsainy io na mety ho fireham-pinoana ary eo koa ny firehan-kevitra hafa na firehana politika maha resy lahatra azy na nofidiany. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy afaka hananana izay rehetra izay kosa ny fahasahiranana izay ny ankamaroan’ny Malagasy dia miaina izany avokoa. 95%n-tsika eo, hoy ilay mpahaifiarahamonina iray izay, no tsy maha velona ny zanany akory. Maro amin’ireo zava-mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny raha ho raisina hatreo amin’ny hatramin’ny omaly alina no mampibaribary fa miaina anaty fikatsoana manara-penitra ankehitriny I Madagasikara. Mikatso ny fampianarana eny amin’ny oniversitem-panjakana. Mikatso ny fiharian’ny betsaka amin’ireo mpiray tanindrazana vokatry ny tsy fisiana asa nifampitohy nateraky ny krizy ara-pahasalamana izay mbola lazain’ireo manam-pahaizana momba ny fahasalamana fa miato ihany fa tsy mbola tapitra moa izany. Mikatso ny toekarena. Tsy misy izay tsy mahalala an’iny satria ny fidangan’ny vidin’ireo entana ilaina an-davan’andro fotsiny dia efa porofo fa nisy toekarena tsy tafainga izay niteraka fahasahiranana ara-tsosialy teto. Ny tontolon’ny asa moa io efa iaraha-mahita io ihany koa. Tsy fantatra intsony izay tena marina momba ny olana misy eo amin’ireo mpanara-maso izany. Mbola manohy ny fitokonany ve ry zareo sa efa manohy ny asany araka ny tokony ho izy ? Ny volan’ny mpiasa eo anivon’ny CNaPS! Nanao ahoana ny niafaran’ireo volan’ny mpiasa nampindramina ny mpiasa tao ihany? Efa tafaverina ve? Efa afaka mandry ivohon’ny vato ve ireo mpiasa Malagasy, indrindra, amin’ny sehatra tsy miankina fa tsy banga ny vola hiantoka ny retiretiny. Izany rehetra izany santionany amin’ny olana miavosa mila vahana eto amin’ity firenena ity saingy hita ho mikatso aloha ny famahana azy fa dia any amin’ny haitraitra hahatonga ny maso ho taitra tsy hahatsiaro izany mba hitazomana toerana aloha izany izao no mahafatifaty ireo mpitondra antsika.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT