Fika efa taloha !

Ekena fa tsy afaka ny hiolonolona


  • Alarobia 28 Janoary 2026

na hitoka-monina samirery eto isika,

fa tsy maintsy mifandray amin’izao tontolo izao, saingy mba maso-mandidy ihany koa amin’ny tanintsika sy ny harenantsika, fa indrindra ny làlana tiantsika hitondrana ny Firenena. Mahavalalanina ihany mantsy ny fihetsiky ny vahiny izay misy no toa sarotiny alohan’ny tompony, milaza fa manahy mafy amin’ny toe-draharaha eto amin’ny Firenena, miantso fifampidinihana,… eny fa tonga hatrany amin’ny fanerena ankolaka ny hampodiana ireo sesin-tany politika izay nanao ny tsy mety teto. Mahavalalanina, fa hain’ireo Vondrona vahiny ny mitanisa fahalalahana, demokrasia, fifampidinihana, zon’olombelona,… ankehitriny, fa jamba sy narenina ny ankamaroany teo anatrehan’ny fisiana Malagasy nampiharana habibiana, novonoina tamin’ny basy noho hevitra politika tsy mitovy. Izao efa milamindamina ny toe-draharaha, vao mifanesy ireo iraka hijery ny toe-draharaha eto Madagasikara hono ! Dia miverina indray ny fofompofona tondrozotra na « feuille de route », dia misy miketrika fifanarahana na « accord politique » any ambadika any, dia efa mirangorango ny ankamaroan’ny mpanao politika amin’ny fitadiavana seza sy fahefana,… Tena ara-bakiteny ilay hoe heverina ho toy ny fizarana «gâteau » ny fizarana seza. « Fika efa taloha » araka ny fitenin’ny tanora ka mila miova e ! Tsy resaka fanilihana na fanavahana, fa saika ireo antoko na mpanao politika tsy mba mpirotsaka amin’ny fifidianana, tsy manana olom-boafidy no mirangorango sy mitady hirika,… Fa firifiry moa ny tondrozotra na fifanarahana politika natao teto niainga hatrany amin’ny 1972, 1991, 2002, 2009, 2018,… fa tena namaha ny olan’ny Firenena ve ? Efa nisy ny Maputo, Addis Abeba,… fa nankaiza sy naninona ? Dia mbola hoentina amin’ny politika politisianina ka samy hanao izay hihinanana fa ny vahoaka hijanona ho mahantra fadiranovana ? Rehefa niroso amin’ny fanovana sy ny fanavaozana isika dia tsy tokony hivaona amin’izay lalan-tsaina izay hatramin’ny farany ! Efa misy mpitondra nomen’ny lalàna fahefana eo, dia ireo no omena fitokisana, arofanina no apetraka,fototra no ajoro,… fa tsy ifamingana sy hanao kajikajy noho ny tombotsoa manokana lava eto !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT