Fijotsoana manara-penitra

Andeha atao hoe 5 taona sy 3 andro izany izao


  • Alarobia 20 Desambra 2023

no nitondran’izao fitondrana izao ny firenena.

Fijotsoana manara-penitra, raha fintinina hatreto, no azo notsapain-tanana indrindra. Mijotso na mikororoso mihitsy, indrindra, ny lafiny toekarena. Ambany dia ambany ny fahefa-mividin’ny mponina ary io tombanan’ny tahirim-bola iraisampirenena ho hatramin’ny 68 miliara Dolara io mihitsy moa ny trosa vaovaon’i Madagasikara manomboka eto hatramin’ny 2028. Ny Ariary ity miha mitotongana efa nihoatran’ny 5000 Ariary ny Euro. Isan’ireo firenena mahantra indrindra ilay Madagasikara ary faharoa maneran-tany amin’ny firenena manana mponina noana indrindra saingy betsaka, hono, ny ezaka natao sy fampandrosoana nentina, hoy ilay filoham-pirenena. Madagasikara tsy maintsy mandroso no hampanantenaina hatreto fa Madagasikara tsy mety mandroso hatrany kosa no miseho.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT