Edito

Fijery vaovao


  • Sabotsy 11 Jona 2016

Raha somary nangingina ny resaka fanonganam-panjakana dia manomboka maresaka indray izao ny fifidianana. Manomboka mampitovy tadin-dokanga ireo mpiara-miasa sy mpamatsy vola an’i Madagasikara.


 Fihetsika izay toa manambara an-kolaka fa aleo ho hita amin’ny fifidianana mihitsy aloha izay mpitondra tena mamy hoditra marina amin’ny vahoaka, izay vao hatobaka ny famatsiam-bola. Samy resy lahatra mantsy ny rehetra izao fa fitondrana kitoatoa na tandrametaka no misy, ary na ny filoha Rajaonarimampianina aza tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety vahiny dia efa niaiky fa tsy nieritreritra ny ho lasa filohan’ny repoblika ny tenany. Ny mpiara-miasa akaiky aminy koa avy eo mbola mampiahiahy ary miteraka resabe eto an-toerana sy any ivelany amin’ny afera hafahafa ataon’izy ireo. Tampina ny daomy ho an’ny fitondana HVM fa fampandehanan-draharaha sisa no ataony. Mahay miresaka ny mpamatsy vola ary tsy midika inona mihitsy ny filazana fa efa nisy ny fivoarana tamin’ny fomba fiasa satria tena mbola goavam-be ny fepetra tsy maintsy arahana. Na ny olona eto an-toerana na ny any ivelany dia efa tsy resy lahatra intsony fa hitondra hery vaovao ho an’i Madagasikara izao fitondrana misy eto izao ary tsy azo itokisana firy ka hoe omena volabe. Tsy maintsy aorian’ny fifidianana indray izany vao harafitra ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao. Ny hany manitikitika ny saina dia amin’ny 2018 ve sa ho lasa alohan’izay izy io ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT