Edito

Fijery miabo


  • Zoma 12 Novambra 2021

Tsy hoe isan’andro ny zava-drehetra no azo jerena miabo fa misy fotoana kosa tena ilaina izay fomba fijery izay ahafahana miroso amina dingana na tanjona iray vaovao tiana ahatongavana indray.

 Ohatra iray niseho omaly moa iny ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy. Nibaby faharesena indray isika. Samy manana ny fomba fijeriny ny lalao nataon’ny Barea ny rehetra. Tao ireo afa-po tamin’ny endri-dalaon’ny ekipam-pirenentsika na dia teo azan y faharesena tamin’ny isa mazava. Tao kosa ireo nahita ny heverina ho lesoka mila harenina maika indrindra toy ny tao amin’ny fanafihana sy ny fiandrasana tsatoby. Izay ilay hoe fijery miabo satria efa hiaraha-mahalala fa naman’ny fanomanana ny amboaran’I Afrika 2023 sisa ny lalao hihaonana amin’I Tanzania amin’ny alahady. Nisy lesoka vaovao hita indray aloha izany iny. Inoana koa fa miha hitan’ny mpanazatra tsikelikely, raha mbola ho voatana amin’ny toerany moa izy, ny mety ho endriky ny 11 voalohany ho atao mateti-piseho amin’izay lalao iraisampirenena rehetra mbola ho atrehin’ny Barea eo. Raha avadika aty amin’ny raharaham-pirenena manontolo ihany koa ny resaka dia misy lafiny na tarehin-java-miseho azo ampiasana izay fijery miabo izay. Faran’ny mahantra ny firenena, feno fitokonana, madiva ho maitany, misy kere, hidanganan’ny vidim-piainana saingy fijery miabo heverina ho tokony hananana ao anatin’izany kosa angamba ny fametrahana fanontaniana hoe iza na iza avy no nahatonga izany? Inona na inona avy ihany koa no nahatonga izany? Samy manana ny valiny ny rehetra ary inoana sy antenaina fa valinteny ahafahana manapaka hevitra amin’ny hoavy daholo izany rehetra izany. Ny mpahaifiarahamonina moa dia manontany mivantana hoe mbola handany ny mpitondra amin’izao sa tsia. Manana fotoana hiheritreretana tsara dieny izao ny rehetra mba tsy ho sanatria diso safidy indray na ho diso safidy hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT