Raha misy angamba firenena nahitana voambolana betsaka indrindra momba ny politika sy ny rafi-panjakana ary ny fandaharan’asa dia i Madagasikara no mety laharana voalohany raha ny taona tena ijoroan’ny Repoblika teto no resahana. Nandalo teto ny hoe politikan’ny kibo, fahefana ho an’ny Fokonolona, fanjakan’ny madinika, Repoblika demokratika, mpitolona revolisionera, Repoblika manindraindra ny maha olona sy miaro ny tontolo iainana. Tao koa ny hoe fanitsiana ara-drafitra, fahavitan-tena ara-tsakafo, ento miakatra ity firenena ity, fampandrosoana haingana sy maharitra.
Dia nipoitra teto koa ny hoe tsy maintsy arodana ny jadona, nosokajiana fa nanao jadona ny filohan’ny Repoblika voalohany (Tsiranana), sy ny Repoblika faharoa (Ratsiraka) ary ny Repoblika fahatelo (Ravalomanana) ka narodan’ny «vahoaka». Raha tetezamita sy ny mitovitovy aminy indray no resahana dia efa hita teto ny «directoire militaire», ny HAE na «Haute Autorité de l’Etat», malaza moa ankehitriny ny HAT sy ny rantsa-mangaikany tahaka ny CST sy ny CT miampy ny CENI. Manampy ireo dia mahay mandaha-teny aok’izany ny mpanao politika malagasy ary tsy maty ambavany mihitsy, ny mpikabary sasany aza moa niroboka tanteraka amin’ny politika mihitsy fa niala kely tamin’ny karama kely any amin’ny fangataham-bady. Ny mpanao vazo miteny koa aza niala tamin’ny mahazatra azy ka niditra tao amin’ilay kizo novetsovetsoiny nandritra ny 30 taona, efa ampy mantsy, hono, ny «méditation» fa aleo mba maka ny anjaran’ny tena amin’izay. Maro be tokoa ireo fihetsiketsehana sy famoronana voambolana amin’ny fananganana rafitra vaovao, saingy ny hita aloha hatreto dia tsy mbola nisy nanatsara ny fiainan’ny Malagasy izy rehetra ireo.
Miverimberina ny krizy, satria tsy miova ny olona mpamaha azy. Ireo mpamboly savorovoro politika ihany no miseho mijoro hitondra vahaolana amin’ny krizy. Raha toa ka efa voky taona izy ireo dia arosony ny zanany na ny zafikeliny na ny zanak’anabaviny. Tsy misy miova ny mpitantana fa ny teo ihany no miverina. Ary ny tena loza dia efa nifindran’ny aretin’ireo dinôzôro politika koa ireo tanora vao misandratra ka tsy menatra mihitsy miady seza. Tsy vitan’ny resaka sy sonia an-taratasy ny famahana ny krizy sy fandaminana ny firenena, indrindra moa fa maro ihany ireo tsy manome lanja ny sonia ataony, fa miova hevitra araka ny volon’andro, angamba. Tonga eo amin’ny kihon-dalana iray indray i Madagasikara amin’izao fotoana, ka ho hita eo raha mba efa nahazo lesona ireo mpanao politika na mbola manimanina ny tongolon’i Egipta ka hamerina ny fomban-drazan’izy ireo, izay tsy hitany izay naharatsy azy, ka mbola hamahan-dalitra ny vahoaka hatrany. Asakasaky ny vahoaka ihany koa raha mbola hanaiky ireo kabary ambony vavahady. Samy tompon’andrikitra ny tsirairay na ireo mpitari-bato vilam-bava izany, na ireo manaiky tarihana ho any anaty lavaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.