Edito

Fihavanana politika


  • Alatsinainy 21 Martsa 2016

Na dia nihamarefo aza ny filaminana eto amintsika tato anatin’ny 5 taona izay dia azo lazaina fa mbola milamina i Madagasikara raha oharina amin’ireo firenena hafa any ivelany tahaka ny any Nizeria, Mali, Libia, Irak, Siria …


satria efa ho isan’andro no handrenesana faty olona noho ny asa fampihorohoroana na fanafihana mitam-piadiana any. Tsy hiandry ady an-trano anefa isika vao ho tonga saina hoe tsara ny mihavana. Nalaza sa nakalazaina ( ?) ny faran’ny herinandro teo ny fampihavanana teo amin’ny foko Zafisoro sy Antefasy tany Farafangana ary dia tonga tany an-toerana mihitsy ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ary minisitra maromaro, niampy ireo olona manana ny maha izy azy avy any amin’iny faritra iny. An-taonany maro no nifandrafy ireo foko roa ireo ka izao hoe nihavana izao. Tena mahafaly izany, saingy ny mampatahotra amin’ity raharaha ity dia sao lahy ka fihavanana politika na sarintsarina fampihavanana no natao. Betsaka ihany mantsy ny resaka nivoaka mialoha ny lanonana tany Farafangana ny sabotsy teo, ary araka ny fantatra dia nisy fikoropahana mihitsy tao ambonimbony tao satria natahotra ny ho voasongona angaha ny manampahefana sasany ; ny sasany koa mitady hitondra samirery ny raharaha. Angamba mahazo dera sy voninahitra hoe nahavita nampihavana. Enga anie ka tena fihavanana tokoa fa raha sanatria nisy ambadika politika dia afo-mololo io ka ny hirehetany any aoriana any indray no asa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT