Fihavanana,

fifankatiavana, firaisankina…


  • Alakamisy 22 Janoary 2026

Rehefa miverina mandinika ny

voalazan’ny filohan’ny fanavaozana hoe «Raha nifankatia ny malagasy dia tsy nisy ny krizy.» isika dia heverina fa nahatsikaritra hoe na dia fehezanteny tsotra aza izany dia hita ho mifono hevi-dalina sy misarika hiverina hamantatra ny tantaram-pirenena nialohan’ny faha mpanjaka tany mihitsy. Inona marina no soatoavina nisy teto amin’ity firenena ity rehefa nanorina fiarahamonina teto ny malagasy voalohany dia ny nantsoina hoe «Vazimba». Raha ny lovantsofina sy ny rakitsoratry ny tantara nitety vanimpotoana no dinihina fohy dia tany no nisian’ny fiarahamonina nifototra tamin’ny antsoina hoe «Fihavanana». Ny manam-pahaizana momba ny haiolona politika, ny Dr Samoelson Rabotovao, dia namaritra fa nitsinjara miisa 5 ny dingan’ny rafi-piarahamonina antsoina hoe fokonolona teto amin’izany Madagasikara izany. Nanomboka tany amin’ny antsoina hoe «Fokonolon-drazana» io na «Fokonolona faha vazimba». Io avy eo no nomen’ny Ombalahibemaso na ny mpanjaka Andrianampoinimerina ho lasa «Fokonolona nentim-paharazana» dia nitohy tamin’ny hoe «Fokonolona faha mpanjaka» ary tsy maty intsony ny fokonolona fa mbola nisy ihany ny nantsoina «Fokonolona tanaty fanjanahantany», izay nivadika «Fokonolona repoblikanina» ka hatrany amin’ny «Fokonolon-dRatsimandrava» na «Fokonolona Ratsimandravien». Inona tokoa moa no tsy nety nahafaty ny anarana hoe Fokonolona sy ny mbola mahatonga izany ho rafitra eny ifotony hatramin’izao raha tsy noho izy niorina tao anatin’izany fifampitondràna toy ny mpihavana na dia tsy mpihavana aza dia ny antsoina hoe «fihavanana» izany? Mafy orina ny fokonolona satria niorina tanaty fifankatiavan’ny mpiara-belona. Niorina tamin’ny antsoina hoe firaisankina tamin’ireo endrika hita maso samihafa toy ny «atero ka alao», ny «valin-tanana», ny «voin-kava-mahatratra» sy ny toy izany rehetra. Raha fintinina izany dia fihavanana, fifankatiavana, firaisankina, fifanohanana, fifamelomana sy ny karazan’izany rehetra izany no nameno ny fiarahamonina malagasy Ntaolo na ny teo aloha dia tena nirindra araka ilay nambaran’ny filohan’ny fanavaozana tokoa, raha ny tantara no iverenana, ny fiarahamonina tamin’izany fotoana izany. Na ny tohin’ny tantaran’Ikotofetsy sy Imakaha, izay zary lasa lovantsofina ratsy nanabe ny fiarahamonina ho fetsifetsy ratsy taty aoriana aza kay voalaza fa niafara tamin’ny fifanarahan’izy mirahalahy tsy hifanambaka intsony rehefa samy resy lahatrany roa tonta hoe tsy mahasoa ny mifanambaka fa ny mifamelona no maha tafa, hoy ny filazan’ny tanora azy izay. Na ilay teny hoe «Fokonolona» aza, hoy ny Pasitera Paul Ramanandraibe, dia midika hoe «Foko ny olona» na koa hoe «Ato am-poko ny olona». Izay moa no fanazavàny ao amin’ny bokiny «Fokonolona fototry ny firenena».
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT