Edito

Fihatsarambelatsihy ?


  • Zoma 24 Aprily 2015

Matoam-baovao eto amintsika ankehitriny ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM izay natomboka tamin’ireo filoham-panjakana 5 mirahalahy.

 

 


 Mandringa ihany anefa ny fizotrany satria tsy voahaja ny zon’olombelona eto Madagasikara. Tranga iray mampiseho izany ny tsy fahafahan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc mifampikasoka mivantana amin’ny olona sy maneho hevitra ampahibemaso momba ny raharaham-pirenena, mbola sakanana tsy hitsidika ny orinasany ihany koa izy. Fa lasa fahotana ve izany ny milaza ny zava-misy sy miaro ny mpiray tanindrazana manoloana ny tsy rariny mianjady amin’ny vahoaka Malagasy ? Tsy mijanona amin’ny fanampenam-bava fotsiny ny mpitondra fanjakana fa mampiasa mpitandro ny filaminana mihitsy. Vokatra inona moa izany no andrasana amin’ny fampihavanam-pirenena fihatsarambelatsihy raha tsy mahazo miteny sy mandroso vahaolana, ohatra, ny filoham-pirenena iray teo aloha, na ferana amin’ny fihetsiny sy ny teniny ? 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT