Edito

Fihantsiana lava


  • Alarobia 31 Aogositra 2016

Miharihary ny endri-pamoretana eto amin’ny firenena ankehitriny. Ny mpanao gazety mantsy dia fehezina amin’ny alalan’ilay lalàna nolaniana bodongerona hanakanana ny fanehoan-kevitra malalaka.


Ho avy ihany koa ny anjaran’ny mpandraharaha amin’ny alalan’ilay lalàna momba ny heloka ara-ketra sy ara-toekarena. Ny mpanohitra moa raha vao mihetsika dia efa miatrana ny mpitandro filaminana hanakana sy handrava izany. Raha fampitoniana ny toe-draharaha mafampana no tokony hataon’ny mpitondra dia ny mifanohitra amin’izany ny zava-misy. Tsy misy fitakiana na fangatahana hahazoam-baliny toy ny an’ny mpanao gazety izay tsy noraharahaina hatramin’ny farany. Efa antomotra ny fotoana handraisan’i Madagasikara ny frankofonia izay hiadian’ny fanjakana fo mafy ny hahatanteraka azy. Takiana voalohany ny fisian’ny fitoniana raha tiana ny handray io fihaonana io. Ny mpitondra mihitsy anefa no mamosavy tena mamboly korontana amin’ny alalan’ny teritery sy famoretana. Vao mainka hahazo vahana anefa ny hetsika isan-karazany eto amin’ny firenena. Ho famoretana sy fihantsiana foana ve no ho valin-kafatra avy amin’ny mpitondra sa mba hanova paikady amin’izay ?

                                                                                                                                 Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT