Edito

Fifidianana sy ny miralenta Nandefa solontena niofana any Dakar ny CENI


  • Talata 26 Jolay 2011

Misokatra anio any Dakar renivohitr’i Sénégal ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny fandraharahana ny fifidianana sy ny miralenta izay andraisan’ny firenena afrikanina rehetra anjara.

Manana solontena any ihany koa ny CENI amin’ny alalan’ny filoha lefiny, Ramampy Marie Gisèle. Fanamafisana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ny fampirisihana koa ny firotsahan’ny andriambavilanitra amin’ny raharaha ara-politika sy ara-pitantanana no ifantohan’ny dinika izay maharitra efatra andro. Ho antsika Malagasy manokana dia anisan’ny sehatra mampazoto ny vehivavy, indrindra fa eto an-drenivohitra ny fanomanana ny fifidianana na dia mbola lavitry ny tanjona tian-ko tratrarina aza. Raha ny miralenta tanteraka izany hoe 50% avy ny isan’ny lahy sy ny vavy mikarakara ny raharaham-pifidianana no andrandraina eo amin’ny sehatra afrikanina dia 29% ny eto Madagasikara araka ny nambaran-dRtoa Ramampy Marie Gisèle. Andriambavilanitra ny 15.716 amin’ireo mpiasa miisa 54.195 manerana ny nosy izay mifanome tanana amin’ny fanomanana ny fifidianana ho avy. Raha eo anivon’ny CENI foibe indray dia 4 mirahavavy no manampy azy 12 mirahalahy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT