Fandanilaniam-poana no azo hanambarana ny fitsapan-kevi-bahoaka natao omaly 17 novambra, raha ireo tsy fahatomombanana ara-teknika maro be no jerena. An-jatony miliara ariary ny volam-panjakana nampiasain’ny CENI, nividianana fitaovana, nametrahana ireo rantsamangaikany tany amin’ny faritra rehetra, nanofanana ireo Agents Electoraux, nanaovana fitsidiham-paritra nifampiresahana tamin’ny vahoaka sy ny tomponandraiki-panjakana. Mbola maro be ihany anefa ny sampona sy tsy fahatomombanana nitranga ary ny tena nanaitra dia ilay hoe azo ampiasaina indray ny kara-pifidianana teo aloha, ary ireo izay tsy tafiditra ao amin’ny lisi-pifidianana dia maka fanamarinam-ponenana any amin’ny Fokontany na koa mitondra karinem-pokontany dia afaka mandeha mifidy miaraka amin’ny kara-panondrom-pirenena.
Tsy fahadisoana kosa angamba ny itenenana etoana fa tsy mbola nisy fifidianana savoritaka sy ratsy fanomanana tahaka ity hatramin’izay naha Madagasikara an’i Madagasikara, ary nahamontsana ny zava-bita tsara rehetra tamin’ny «kitoatoa» ny FAT tamin’ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana. Tsy latsaky ny im-polo no nihaona tamin’ny mpanao gazety ny avy ao amin’ny CENI, ary namerimberina foana ny Maitre Hery Rakotomanana filohany fa efa hatramin’ny volana aogositra 2010 no vonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny CENI, na dia teo aza ny fahataran’ny fahatongavan’ny ampahany amin’ny tetibola tokony hampiasainy. Tsy niova tamin’io teniny io mihitsy izy, ary farany teo moa dia mbola nohamafisiny fa efa vita ny fanaraha-maso rehetra tokony ho natao tamin’ny lisi-pifidianana ary 10 tapitrisa ny kara-pifidianana natonta na dia 7 tapitrisa mahery aza ny isan’ny mpifidy manerana ny nosy.
Izany hoe misy ny kara-pifidianaa «virijiny» tsy latsaky ny 2 tapitrisa miandry fotsiny. Ka nahoana ary no mbola misy olom-pirenena tonga taona sy tsy very zo tsy nahazo kara-pifidianana, ary tsy voasoratra ao anatin’ny lisitra eny amin’ny Fokontany ? Tsy hoe olona nifindra monina anefa ireo olona ireo fa efa niaina an-taonany maro teo amin’io Fokontany io ? Tsy midika ve izany rehetra izany fa fandaniana ny volam-panjakana fotsiny no natao, satria tsy lavorary araka ny ampanantenaina akory ilay fifidianana nanokanana vola amina miliara. Raha ny fahafantarana azy dia tsy misy mandà fifidianana mihitsy ireo mpanohitra izao fitondrana tetezamita izao saingy mitaky kosa mba ao anatin’ny tena mangarahara sy araka ny lalàna nifanarahan’ny hery velona rehetra teto ary nivoaka avy amin’ny tena fihaonambem-pirenena no hanaovana izany, fa tsy zavatra maimaika tahaka izao. Ny olana ankehitriny, araka ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy dia lany nanaovana fifidianana ny vola, tsy namaly ny antso anefa ny vahoaka, ary tsy mbola voavaha ny krizy, fa vao miha aza niha mafy satria mipoitra etsy sy eroa indray ny fanoherana amin’ny endriny maro samihafa, ary ny tena loza dia toa efa tonga tsimoramora eto ny asa fampihorohoroana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.