Edito

Fifidianana sa latsa-bato ?


  • Alakamisy 27 Oktobra 2016

Fanontaniana efa mateti-piavy sy fandre matetika tato ho ato ny hoe mety amintsika ve ny demokrasia ?


 Anisan’ny mifandraika amin’io ihany koa ny hoe mety amintsika ve ny fifidianana ? Betsaka ny fanontaniana tahaka izany ary efa maro koa ireo manampahaizana sy mpanao politika nahavita nampiseho fa samy tsy mety amintsika ireo fa ny tena mety dia ny miverina any an-doharano na any ifotony, hoy ny lamaody amin’izao. Fifidianana sa latsa-bato ? Io kosa dia fanontaniana iray heverina fa ilaina apetraka ihany koa. Mahavalalanina ny mahita amin’izao fotoana fa hatrany amin’ny resaka fifidianana rafitra ara-panatanjahantena aza dia misy fangalaram-bato. Raha ny tantara tokoa no iverenana dia samihafa mihitsy ny atao hoe “fifidianana” sy “latsa-bato”. Tantarana mpamosavy tra-tehaky ny fokonolona tamin’ny fahagola raha tsiahivina no niteraka ny teny hoe latsa-bato. Tamin’izany andro, hono, dia nisy mpamosavy maro anaka be satria dia maro noho ireo fokonolona ny isan’ny taranany. Rehefa natao ny latsa-bato hoe inona no tianareo, hodorana velona ilay mpamosavy mpandatsak’aina sa avela amin’izao ? Ilay hoe avela amin’izao no lany satria maro anaka ilay mpamosavy. Izany no mba lova notanantsika ankehitriny rankizy !

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT