Edito

Fifidianana sa fividianana ?


  • Alatsinainy 07 Jolay 2014

Maka aina kely indray aloha ireo solombavambahoaka satria nifarana ny fivoriana ara-potoana voalohany. Tsy maintsy hisy kosa anefa ny fivoriana tsy ara-potoana handinihana ireo lalàna ilaina amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna izay nohamafisin’ny praiminisitra Kolo Roger fa tsy maintsy hotanterahana amin’ity taona ity ihany...

Niteraka resabe tokoa ny momba ity fifidianana ity satria maro no nihevitra fa mikononkonona zavatra any ambadika any ny antoko eo amin’ny fitondrana dia ny HVM izany, ka rehefa mety tsara ilay paikady izay vao atao ny fifidianana. Izay tokoa ve no marina sa inona ? Ho hita miandalana eny ny valiny, fa ny azo antoka araka ny angom-baovao natao tamin’ny faritra maro manerana ny Nosy aloha dia mihetsiketsika fatratra ny HVM e ! Ary efa mihevitra sahady fa hahazo ny maro an’isa amin’io fifidianana Ben’ny tanàna io. Olom-boafidy fototry ny fanatanterahana ny fandaharanasan’ny fitondrana tokoa mantsy ny Ben’ny tanàna ka ho sahirana ihany ny mpitondra raha toa ka vitsy an’isa ao anatin’io rafitra io ny olony. Efa fomban-drazana nahazatra antsika teto moa ity hoe tsy maintsy manana ny maro an’isa tsy azo iadian-kevitra ity vao mahavita zavatra, kanefa amin’izao ambara fa vanim-potoanan’ny fanovana izao ve dia mbola tahaka izany ihany ny fomba fijery ? Nahoana no mbola misy manampahefana mampiasa ny fahefany ihany hanerena an-kolaka na mivantana ny olona hanohana ny kandidam-panjakana ? Na atao aza hoe tsy maintsy misy foana ny kajy politika, dia mila mailo ihany ny mpitondra fa tsy mamba noana be tahaka izao ka terena hivadika HVM daholo indray ny olon’ny TGV sy ny TIM ary ny AREMA teo aloha…raha tena foto-kevitra mitombina marina moa no mampiova, atao akory, fa raha vola kosa no hampivadika dia loza ho an’ny firenena. Ary mba tokony handini-tena tsara ihany ireo finaritra mifidy ny safidim-bahoaka ireo fa misy farany anie ny zava-drehetra e ! Ary tsy ho raharaha be ve no hitranga eto raha manao tahaka ireo depiote miovaova hevitra sy loko politika isan-kerinandro ireto ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna, satria notambazana vola be tsy fanta-piaviana avy any ambadibadika any. Fa fifidianana ilay kasaina hatao sa fividianana e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT