Edito

Fifehezana miavaka


  • Alarobia 17 Jona 2020

Fanina amin’ny famaritana ny atao hoe “voafehy” ankehitriny ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy. Inona marina moa izany no dikan’izy io ho an’ity fitondrana ity?

 

 

 Raha ny rakibolana no jerena dia azo hamintinina, mba tsy hilazana indray hoe hifehezana, ny famaritana izany Fifehezana izany ny hoe fomba hatao hampiatoana ny fiparitahana zava-misy iray. Ny atao hoe voafehy, araka izany, dia miato sy tsy miparitaka intsony. Asa na aiza ho aiza amin’izany ny zava-misy mikasika ny fipariahan’ity aretina COVID 19 eto amin’ny firenena ankehitriny ity. Raha tsiahivina dia olona miisa 3 tany am-boalohany no nambara tamin’ny fomba ofisialy fa voan’izy io ary nitombo tsikelikely taty aoriana. Ankehitriny, efa maherin’ny 1000 izany ary maherin’ny 10 ireo namoy ny ainy kanefa nireharehana tao anaty 1 volana mahery ny tsy fisiana aina nafoy fony mbola niainana teto izany fihibohana amin’ny ampahany izany. Nony mitombo anefa ny tarehimarika dia averina hatrany fa io nohalalahana io ny fepetra. Toamasina no tena tsikaritra ho lasibatra tao anatina andro maromaro saingy raha ny tatitra omaly dia ireny niaraha-nahita ireny fa mitady ho ivon’izany Coronavirus izany koa izany ankehitriny I Antananarivo sy ny manodidina. Izany ve ilay atao hoe voafehy sa fifehezana miavaka amin’ny fenitra misy mihitsy ilay atao eto Madagasikara ity? Heverina fa amin’ny maha ahamehana ilay toe-draharaha sy noho ilay sata manokana omen’ny lalana ny filoham-pirenena anatina tranga toy itony dia tsy voatery afaka tapa-bolana indray angamba izy vao hanapa-kevitra fa na anio dia anio aza rehefa mahita fa tandindomin-doza ny ain’ny Malagasy. Inoana fa tsy tanjon’ny fitondrana angamba ny hanasatra ny vahoakany ao anaty aretina sy krizy raha tena tiany ny hampivelatra ny sain’ny Malagasy mba hifantoka tokoa amin’ny tena fampandrosoana.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT