Fifaninanana mantsina ?

Vita ny fifidianana, nivoaka ny valiny vonjimaika,


  • Alakamisy 13 Jona 2024

dia samy miandry ny vokatra ofisialy. Mifanenjana sy mifampiampanga amin’ny ady sezany ny mpanao politika.

Tena tsy fifaninanana masina fa fifaninanana mantsina maimbo tsy fahamarinana hosoka ary fandikan-dalàna. Manorina firenena sy repoblika eo ambony fasika, ka tsy atao mahagaga raha tsy mety tafavoaka ny firenena. Miharatsy hatrany hatrany ny fifidianana, tsy misy ny finiavana tena hametraka fahamarinan-toeran’ny firenena ao anatin’ny safidim-bahoaka madio. Dia io iaraha-mahita io fa famy milaza azy ho manana ny rariny, ary tena nivadika hatramin’ny glôby araka ny fitenin’ny sasany, fa na ireo tsy manana fahafahana hangala-bato aza voapanga ho nanao ny tsy fanao. Tena variana any amin’ny ady ho an’ny sezany sy ny toerany ny mpitondra sy ny mpanao politika, manao ny tsy fanao, mandika lalàna sy lalàmpanorenena,… Tany amin’ny propagandy no efa niaraha-nahita sy niaraha-niaina ny fihetsika mamohehitra samihafa, ny kajy politika,… Andaniny, ny vahoaka mpifidy tany anaty propagandy sy latsa-bato ihany no tena nilaina. Tena misy miaro sy mijery ve ny vahoaka eo anatrehan’ny olana sy fahasahiranana mahazo azy ve ireo lazaina fa solombavambahoaka na ireo efa teo na ireo miady mafy no ho eo ? Moa tsy tonga amin’ilay hira hoe : rehefa fifidianana ihany no manan-kasina amin’ny mpanao politika ny vahoaka ? Rehefa azo ny seza dia ny kajy politika no betsaka, ny tombotsoa ho any am-paosy sy malety no mahamaika, ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpanatanteraka hiaro ny tsy fahombiazany no tena mahadodona amin’ny kajy maloto hahazoana maro an’isa. Dia adino avy eo ilay asa tena maha solombavambahoaka amin’ny alalan’ny fanolorana lalàna ho fiarovana ny tombotsoa ara-toekerana sy ara-tsosialy ho an’ny firenena sy ny Malagasy, ny famahana ny olan’ny firenena amin’ny alalan’ny fanerena ny mpanatanteraka hiasa, ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana mba tena hifanaraka amin’ny filàn’ny firenena,… Dia mihondikondina lasa kiboribory vetaveta eo e !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT