Edito

Fifandrifian-javatra sa …


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2017

Valan’aretina pesta izao no malaza eto amintsika, ary miezaka mamono afo manoloana ny tsy fahafehezana azy io ny fanjakana ankehitriny.

Toa mahalasa saina ihany ny zava-nitranga tato anatin’ny andro vitsy. Niverina indray ny fakana an-keriny, mandeha ny resaka fahavakisan’ny fonja … Fifandrifian-javatra ihany sa fanarian-dia ny vahoaka manoloana ity aretin-doza efa mandripaka ity ? Petra-kevitra hafa azo handikana ny zava-misy ihany koa anefa ny hisehoan’ny toe-javatra goavana toy ny mety hirodonan’ny fanjakana. Tsy misy zavatra voafehy intsony eto amin’ny firenena ary mampiteny ny moana mihitsy ny tsy fahombiazan’ny mpitondra. Raha tsy manilika andraikitra dia mampanantena poak’aty sy milaza handray andraikitra hatrany. Tsy mahafehy ny fitantanana ny firenena sy efa mahana tsy henjehina sy toa efa manongan-tena vokatry ny tsy fahombiazana. Mbola midingin-drambo sy mihantsy ady hatrany anefa satria diso adversera, ka mbola ny kapa ranjo politika no kotrehina hahafahana mitazom-pahefana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT