Edito

Fifanatrehana sa fifandokafana ?


  • Alarobia 29 Jona 2022

Raha ho an’ny sofina mihaino sy maso mahita dia tena manaitra tokoa ny maheno sy mahita izay teny sy soratra hoe “fifanatrehana” izany.

Lalaovin’ireo mpikirakira fifandraisana mihitsy aza moa ilay teny frantsay hoe “face à face”, “Face to face”, hoy ny Anglisy. Rehefa mpanara-baovao no maheno izany dia manantena tsy fifampitsitsiana teny. Tsy fifanaovana hena-maso fa avy dia milaza no tokony ho lazaina mba ho tombontsoana sehatra iray hiveloman’ny rehetra dia ny fiarahamonina eto amin’ity firenena ity izany, eny, ny hoavin’ny firenena manontolo sy ny fiainam-pirenena ankapobeny mihitsy. Maro ny olam-bahoaka mibaribary mampihitsoka ny fiainam-pirenena ankehitriny. Tonga amin’ilay fitenenana hoe “na ny olona ery amin’ny arabe aza mahalala ny olana eto Madagasikara”. Vao tsy ela akory no nalaza indray ny tranga maha menatra manaraka dia ny volamena 36 kilao nanjavona nivadika vy. Ny solika hanodinana herinaratra nanjavona. Ny volan’ny mpiasa miha ritra. Ny fidangan’ny vidin-tsolika mananontanona. Ny mpitatitra tsy te hahalala fa mbola nanamafy fa tsy maintsy hampiakatra avo roa heny ny saram-pitaterana. Nijery anefa ianao dia nandravona ilay mba antsoina hoe fifanatrehan’ireo lazaina fa solombavanao sy ny mpikamban’ny governemanta saingy toa tsy nahita taratra loatra izany fototry ny olam-pirenena ankehitriny izany voaresaka loatra fa dia toy ny efa heno hatramin’izay ihany no mbola henonao. Toy ny mahazatra. Fisaorana sy fangatahana mba tsy hilazana hoe fifandokafana no tena niompanana. Ny hena masaka no mahavelona fa ny henamaso mahafaty, hoy anefa ny fahendrena Malagasy. Hifanatrika sa hifandoka? Fifanatrehana sa fifandokafana ?

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT