Edito

Fifanarahana vaovao


  • Talata 16 Jona 2015

Mirona tsimoramora any amin’ny fifampiresahan’ny filoham-pirenena sy ny depiote ny resaka fandaminana ny savorovoro politika eto amintsika satroa miantso an’io avokoa ny rehetra,afa-tsy ireo izay efa tena manana tanjona hafa mihitsy.Na ny FFM izay natory hatramin’izay aza dia mihetsiketsika fatratra ny amin’ny hanatanterahana izany ankehitriny.

 


Manohana an’io koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena ;re fa ho tanterahana tsy ho ela izy io.Na izany aza anefa dia sarotra ny hamantatra mazava ny mety hitranga marina satria tena tompon-daka amin’ny fivadibadihana ny mpanao politika malagasy, ka na misy zavatra nekeny sy nosiniaviny izao aza mety hivadihany amin’ny minitra farany.Efa manangasanga noho izany ny fisian’ny fifanarahana politika iray hafa indray, ka asa hoe iza avy indray no hanasonia azy io, ary hanao ahoana ny fanatanterahana azy.Tsy hita tabilao indray aloha ao anatin’izany rehetra izany ilay fehin-kevitry ny dinika ho amin’ny fampihavanam-pirenena teny Ivato, fehin-kevitra izay tombanan’ny mpanara-baovao politika fa ho adino tanteraka vantany vao misy ny fifampiresahan’ny filohan’ny repoblika amin’ny depiote satria ny zavatra hivoaka avy amin’izay no hifanarahana fa ho tanerahana ary ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana azo atao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT