Edito

Fifanarahana aloha vao fifidianana


  • Talata 13 Novambra 2012

Arakaraka ny mampandroso ny andro sy ny volana no maha marina hatrany ny ahiahin’ny maro ny amin’ny tsy hahatanterahan’ny fifidianana ny 8 mey 2013

 Nisy mantsy ny any amin’ny Fokontany sasany no tamin’ity volana novambra ity mihitsy vao nanomboka ny fanisana ny mpifidy. Ary ezahana ho vita ao anatin’ny roa na telo herinandro izany. Mifarana izany ity volana novambra ity dia tokony ho efa vita ny fanisana ny mpifidy nataon’ireo “agents recenseurs” nokaramain’ny CENIT. Saingy tsy mbola vita eo ny asa fa dia miroso amin’ny fampidirana ao anaty solosaina ny anarana rehetra indray. Mety mbola haharitra iray na roa herinandro eo indray iny dingana manaraka iny, izany hoe tokony ho vita mialoha ny 15 desambra.

Araka ny fantatra moa dia ilay 12 miliara Ariary vola efa navoakan’ny fitondrana tetezamita tamin’ity taona ity no tetibola hiasan’ny CENIT aloha hatreto satria tsy mbola nisy mihitsy ny famatsiam-bola avy any ivelany. Izay ny fanisana ny mpifidy, fa mampametra-panontanina ihany koa ny fampianarana sy fanentanana ny vahoaka amin’ny fampiasana ilay bileta tokana, izay tsy mbola nisy mihitsy hatramin’izao kanefa raha hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena dia tsy maintsy atao matanjaka ny fampianarana ny mpifidy rehetra manerana ny Nosy ny momba ity bileta tokana ity, tany amin’ny firenena afrikanina sasany dia naharitra telo ka hatramin’ny enim-bolana izany, ka asa hoe rahoviana no atomboka ny eto amintsika. Rtoa Atallah Béatrice, filohan’ny CENIT moa dia nanome toky fa ho vita ara-potoana ny fiomanana ara-teknika ary azo tanterahana tsara ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany amin’ny 8 mey 2013, raha io lafiny ara-teknika io no jerena. Misy ihany anefa no tsy matoky izany satria efa tena antomotra loatra ny fotoana, tokony ho efa any amin’ny fanentanana ny mpifidy amin’ny fampisana ny bileta tokana sy ny fampahafantarana ny fifidianana izay atrehana ny asa izao, kanefa ny fanisana ny mpifidy aza tsy mbola vita amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Ny fihetsiky ny sehatra iraisam-pirenena, toa mailo na malaina mihitsy hamoaka vola, dia tokony hampieritreritra lalina ny mpitondra tetezamita ihany koa, satria misy antony izany.

Araka ny fandinihana azy dia tena miandry ny hisian’ny fifanarahana politika iray, hanampiana ny tondrozotra ny avy any ivelany izay vao hihazakazaka hanampy, na ara-bola io, na ara-kevitra na ara-pitaovana. Ny tondrozotra no antontan-taratasy lasitra hivoahana amin’ny krizy, mikatso anefa ny fampiharana manontolo azy, ka mety ho izay no tsy maintsy hanaovana fifanarahana politika, iray vaovao izay tsy hanitsaka ny tondrozotra fa hanamora ny fampiharana haingana azy ka arakaraka ny hahavitan’io fifanarahana io no hahafahana miroso amin’ny fifidianana, fifidianana izay tokony hifanandrinan’ireo fototra niaingan’ny krizy sy izay kandida rehetra sahy mba hahafahan’ny Malagasy misafidy izay tena atokisany fa afaka hampandroso ity firenena ity.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT