Edito

Fifanandrifiana sa … ?


  • Zoma 13 Janoary 2017

Taona vitsivitsy lasa izay dia efa nisy nandoro ny teny an-tampon’Ambohimalaza, Antananarivo Avaradrano.

Toa tsy nihoatra ny herinandro dia nisy ny havandra, indrindra ny valala izay nandrakotra ny renivohitra ary niditra ny lapa tao Ambohitsorohitra. Niteraka resabe tamin’izany satria maro no niteny fa izay vao nahita valala tafiditra teto Iarivo fa taloha an’izany dia tany Bongolava no fantatra fa nisy an’io andiam-biby mpandrava voly io. Izao indray dia mbola nisy nandoro ny tranomasina na “rova” tao Ambohimalaza. Tsy ampy 24 ora dia indro fa maro no taitra teto Iarivo fa nahovotrovitry ny horohorontany. Nihorohoro, araka izany, ny mponina ary latsaka izay tsy ho latsaka, eny hatramin’ny ranomason’ny ankizy kely natahotra. Efa mba may ihany Andafiavaratra, Ambohimanga (ny ala izany e!), Anatirova, Ambohidratrimo,…saingy tsy nisy na inona na inona fa in-droa izay Ambohimalaza no voan’ny afo dia in-droa ny loza voajanahary : havandra, valala ary horohorontany. Izany no mahatonga ny mpandinika hiteny hoe : “fahamaizan’Ambohimalaza sy loza voajanahary : fifanandrifiana sa ...?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT