Edito

Fifanandrifian-javatra ve sa …


  • Zoma 09 Septambra 2011

Feno folo taona katroka anio ny nahafatesan’ny komandŕ Massoud na Ahmad Shah Massoud amin’ny anarany feno.

 Mpitari-tafika nikoizana tany Afghanistan izy ary filoha mpanorina ny Alliance du Nord, efa nanohitra ny Sovietika izay saiky hanjanaka tsimoramora an’i Afghanistan tamin’ny taona 80 ary mbola nifanehitra tamin’ny Taliban ihany koa teo anelanelan’ny 1996 sy 2001. Solon’anarana hafantarana azy ny hoe : «Lion du Pandjchir» na lion’i Pandjchir, tanàna iray any Afghanistan afaka nanohitra hatramin’ny farany ny tafika sovietika izay tena natanjaka sy nampiasa fitaovana arifomba tokoa kanefa tsy naharesy ny miaramilan’ny komanda Massoud. Voatendry ho minisitry ny fiarovana izy ny 2 aprily 1992 rehefa tafiditra tao Kaboul renivohitra sy nahavita nandrodana ny fitondran’ny Taliban izy sy ireo miaramilany arivo lahy. Injeniera amin’ny «génie civil» ny komandà Massoud ary tsy nanaiky mihitsy ny hitsabahan’ny firenena vahiny amin’ny raharahan-tokantranon’ny fireneny ka izay antony nitolomany sy niadiany. Tsy nankasitrahany koa anefa ireo Silamo mahery fihetsika sy hafahafa fomba fisainana, ka izay indray no antony nanoherany ny Taliban. Marani-tsaina sy tena manana paikady miaramila henjana ary mafy loha ny komandà Massoud ka nanomboka nanahirana ireo firenena tandrefana, indrindra fa ny Amerikanina. Tsy dia nankasitraka ny fomba fijeriny ihany koa anefa ireo Silamo mahery fihetsika. Na izany aza, maro no resy lahatra tamin’ny filôzôfiany sy ny eritreriny amin’ny hanavotana an’i Afghanistan. Efa nahazo ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana izy, ary tsy olona matim-bola sy voninahitra no sady tsy nifangaro firy tamin’ny mpanao politika. Tsy lasa lavitra anefa ny komandà Massoud satria maty novonoina Tonizianina roa, nisandoka ho mpanao gazety saika hiresaka aminy ny 9 septambra 2001. Pasipaoro belza no nentin’ireto «mpanao gazety» ireto, niditra tany Afghanistan.

Raha ny tombantomban’ireo mpandinika sy olona sasany nanadihady ity raharaha ity dia ny fikambanana Al Qaida notarihan’i Ben Laden no tao ambadiky ny famonoana ny komandà Massoud. Fakan-tsary (camera) voasesika baomba moa no namonoana azy, ary mazava ho azy fa niara-maty taminy koa ireo mpanao gazety sandoka roa sy ny olona nanodidina azy ireo teo. Roa andro taorian’io dia nitranga ny asa fampihorohoroana nahatsiravina nahafatesana olona 3000 mahery tany New York Etazonia. Voalaza fa efa hatry ny ela no nampita vaovao tamin’ny Amerikanina sy ireo firenena tandrefana ihany ny komandà Massoud fa miketrika zavatra hafahafa ny Al Qada tarihin’i Ben Laden, saingy tsy fantatra na nisy nihaino sy nino izy na tsia. Mbola mipetraka ihany koa ny fanontaniana hatramin’izao hoe : nisy nifandraisany tamin’ny raharaha 11 septambra 2001 ve ny namonoana ity komandà Massoud ity ny 9 septambra 2001, sa fifandrifian-javatra fotsiny ihany ? Folo taona aty aoriana, dia nalaza ny hoe : ady amin’ny asa fampihorohoroana. Niady tany Afghanistan, Irak ny Amerikanina, niongana daholo ireo mpitondra Arabo natao hoe mafy loha, afa tsy ny filoha Iranianina sy Syrianina ; ary io Afghanistan kosa dia tsy mbola milamina hatramin’izao. 10 taona aty aoriana dia mila ho isan’andro ny baomba mipoaka etsy sy eroa ary hahafatesana olona maro.

Mbola misy foana koa ireo miaramila tandrefana mitoetra any. Miteraka savorovoro foana izay fifidianana atao, ary miankin-doha tanteraka amin’ny Amerikanina ny fitondran’ny filoha Afghan, Ahmed Karzai. Azo nambara fa anisan’ny olona tena tia tanindrazana ny komandà Massoud ary maro no vahoaka nanohana sy natoky azy, mety ho vitsy noho ny betsaka anefa izy sy ireo mpiara-dia taminy ka tsy lasa lavitra tamin’ny tolona nataon’izy ireo satria hatramin’izao dia anaty krizy lalina foana i Afghanistan ary tsy mbola nahitana hoe iray volana tsy nisy gidragidra izay efa ho 30 taona mahery izao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT