Edito

Fifanandrifian-javatra !


  • Alatsinainy 07 Martsa 2011


Nisinisy ihany ny fanambarana nivoaka tamin’iny herinandro nivalona iny. Samy nanana ny nambarany avokoa ireo manampahefana teto amin’ny tany sy ny fanjakana momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny sy ny resaka filaminana. Raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy dia tena nihazakazaka be mihitsy ny toe-draharaha taorian’ilay saika niverenan’Atoa Marc Ravalomanana teto ny 19 febroary lasa teo. Azo ambara fa nampirehitra ny fifanandrinana politika ihany koa ilay sori-dalana navoakan’ny Dr Leonardo Simao, izay hitan’ny maro fa hafahafa ihany ary tsy nandamina fa vao mainka aza nanakorontana indray. Eo am-piandrasana ny fandravonana ilay sori-dalana ambara fa hoe «tena izy» indray ny rehetra amin’izao fotoana satria tsy hanelanelana mandrakizay eto akory ny SADC fa mba misy ihany zavatra hafa mety manahirana azy ireo any ambadika any, koa raha ny raharaha Madagasikara manokana dia voalaza fa tokony hisy ny vahaolana eken’ny rehetra mialoha ny 18 martsa ho avy izao.

Efa nisinisy ihany anefa ny fotoam-bita tsy nahaleo ny sampona teto, ary maro ihany izay daty efa nivoaka izay, saingy hatramin’izao aloha dia tsy mivaha ny krizy ary miha sahirana ny vahoaka. Na izany aza, ,maro ihany no nahatsikaritra fa be loatra ireo fifanandrifian-javatra tato anatin’ny roa herinandro ireo : raharaham-pitsarana momba ny «Radion’ny Gasy», fihaonana politika teny Ivato, fifofoana ny ain’ny filohan’ny FAT, olona nitondra fitaovam-piadiana voasambotra … Raha narahana tsara ny vaovao sy ireo karazana fanambarana dia voatonontonona amin’ireo raharaha ireo ny mpanohitra, na ny Ankolafy 3 no tena marina kokoa.

Tsy resaka honohono intsony ilay izy fa nisy mihitsy ny fanambarana ofisialy nahitana ny anaran’ny mpitarika sasany ao anatin’izany Ankolafy 3 izany. Koa noho ny fahafantarana ny zava-nisy teto tato anatin’ny roa taona sy tapany izao, dia maro ny manahy fa ho avy indray ny fisamborana ireo izay mahitsy fitenenana sy sahy manakiana izao fitondrana izao, ka hitombo indray ny ho eny Tsiafahy sy Antanimora eny. Na ny fiangonana aza dia tsy afa-bela ihany koa ao anatin’izao sangodimpanina izao ary manahirankirana ihany ny toerana misy ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan’ny Fjkm no sady mitarika ny FFKM amin’izao fotoana, satria voatonontonona amin’ilay resaka radio piraty ny Fjkm. Nandà mafy an’izany anefa ny avy ao amin’ny Birao foibe. Na izany aza, mbola mitohy ihany ny fanadihadiana amin’izao fotoana.

Mbola manjavozavo be ihany ny lalan-kombana ho an-dRamalagasy satria tahaka ny tsy hita mihitsy ny marimaritra iraisana eo amin’ireo mpanao politika, fa dia samy mahita tetika hiarovana ny tombontsoany foana ny andaniny sy ny ankilany, ary izay eo amin’ny fitondrana sy manampahefana aloha dia tsy maintsy manana tombon-dalana foana, na inona na inona ambara e ! Malaza indray izao ny hoe fifidianana. Dia miandry ny rehetra hoe : ahoana indray ny ho fandehany, ho tanteraka ihany ve ilay izy ? Mety amin’ny Malagasy ve ilay fifidianana filoha sy depiote miaraka amin’ny andro iray ? Ary mety amin’ny mpanao politika koa ve io sa tsy maintsy mbola hiova daholo indray ny tao anatin’ilay sori-dalan’ny SADC ka zava-baovao hafa mihitsy no hipoitra amin’ity herinandro ity ?

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT