Edito

Fifampiresahana ihany aloha hatreto ...


  • Alarobia 29 Oktobra 2014

Mety maro ny olona nieritreritra fa hihazakazaka be ny toe-draharaha politika rehefa tafaverina an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nisy mihitsy aza no nihevitra fa hisy ny fanonganam-panjakana

. Efa hatry ny ela anefa ity filoha teo aloha ity no nanambara fa tonga hampandroso ny firenena izy fa tsy sanatria tonga hanakorontana tsy akory. Azo hanazavana tsara ny fihetsiky ny ankolafy Ravalomanana amin’izao fotoana izany satria atao amin’ny alalan’ny resaka sy fifampidinihana ny fifandaminana fa tsy amin’ny alalan’ny herisetra na fanonganam-panjakana. Tena misy ny fifampidinihana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny ankolafy Ravalomanana ary laharam-pahamehana voalohany ny famotsorana ity filoha teo aloha ity izay efa migadra mihitsy moa amin’izao fotoana. Sarotsarotra raisina ho an’ny olom-pirenena ity resaka ity satria vao miha nanasaro-javatra ny zava-nitranga teny amin’ny antenimieram-pirenena, tahaka ny hoe nandroso nihemotra mantsy ireo depioten’ny ankolafy Ravalomanana. Izay aloha ny zava-misy, ary Atoa Ravalomanana mihitsy, ny alahady lasa teo no efa nampita hafatra hoe : aoka ianareo hilamina, hanaja ny fitsipika ary hanaraka ny toromariky ny mpitarika. Ny tsy fantatra fotsiny dia ny hoe : moa ve tena ny mpitondra fanjakana sy ny ankolafy Ravalomanana irery no mifampidinika sy mifandresy lahatra, sa misy vondrona na antokon’olona hafa misisika ao afovoan’izy ireo  ka manasarotra ny resaka ? Efa tena mahoraka be hatrany ivelany mantsy ny raharaha Marc Ravalomanana ka maro ny mihevitra fa tsy lavitr’io fifampiresahana io ihany koa ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra fa ny Frantsay sy ny Amerikanina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT