Edito

Fifampiresahana


  • Alarobia 01 Septambra 2021

Izay tsy miady olom-bodo, fa izay to fo mpamosavy, hoy ilay ohabolana Malagasy iray. Lojika ny tsy fitovian-jevitra sy tsy fitoviam-pijery eo amin’ny samy olombelona noho ny antony maro.

 Noforonin’ilay nahary ho samy hafa, samy manana ny maha izy azy rahateo ny tsirairay. Henjana anefa ny raharaha rehefa tonga amin’ilay fiheverana iny, fa ny an’ny tena ihany no marina, ny an’ny tena ihany no tokony hohenoina sy ho toavina fa ny an’ny hafa zava-poana. Izay ilay ilàna fanetren-tena, ilàna fahadiovan-tsaina, ilaina toe-po sy toe-panahy misokatra,… Tsy Andriamanitra akory ianao ka hanana ny fahamarinana 100% fa mbola olombelona nofo sy rà. Ahafahana misintona lesona tsara io adihevitra momba ny baolina kitra io eto amintsika io. Nitondra soa ve ny vava be sy ny fandrahonana eo anatrehan’ny tsy fitovian-kevitra na zavatra nifandimpatra? Moa tena fahavalon’ny baolina kitra tokoa ve ny mpitantana io sehatra io rehefa tsy nifanojo tamin’ny eritreritry ny mpitondra ny eritreriny toy ny tamin’ny isan’ny mpijery hoe: 1500 no afaka nijery fony isika tao anaty hamehana ary io no mbola nangatahana satria mbola ao anatin’izany I Madagasikara na efa nihena aza ny tranga? Azo natao tsara ny nifampiresaka mialoha hoe: inona no atao satria mifameno sy mifanampy ny FMF sy ny Fanjakana, saingy samy nanao ny azy rehefa jerena. Lasa mifampiapanga avy eo satria samy manana ny heveriny fa fahamarinana avy aminy avy. Iny niaraha-nahita iny anefa ny vokatra farany omaly, ary mbola fifampiresahana ihany koa no nahazoana fankatoavana avy amin’ny CAF. Moa nisy valiny ve ny fangatahana nataon’ny Minisiteran’ny fanatanjahantena tany amin’ny CAF na FIFA? Miantefa amin’ny FMF izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny baolina kitra, ary na ny fangatahana ahafahana mampiditra olona 20 000 izay naneken’ny CAD ho 10 000 aza dia mbola tamin’ny anaran’ny Federasionina. Moa tsy fankasitrahana sy famitranam-pihavanana aza ve no hiseho? Tsy fotoanan’ny hambo-po diso toerana sy ny fivoizana valifaty sy fandrahonana intsony izao raha tena mipetraka ho Raiamandreny, saingy miankina amin’ny tsirairay io fa tsy azo hifanerena. Aleo tokoa ny tantara sy ny zavatra ataony no hitsara ny tsirairay!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT