Manomboka mampiahiahy ihany ny hahavitana fifidianana amin’ity taona ity raha dinihana ny zava-misy eo amin’ny lafiny politika sy teknika.
Na dia efa lanin’ny Parlemanta aza mantsy ilay lalàna momba ny famotsoran-keloka, dia izao iaraha-mahita izao fa tsy mbola milamina izany ny eto. Kabary fotsiny aloha hatramin’izao ilay hoe fametrahana ny fitoniana. Ny misy aza dia toa miha henjana indray ny fifandirana eo amin’ireo ankolafy politika fa tsy arakaraka ny fiaraha-mitantana dradraina eto. Tsy mbola tanteraka araka ny tokony ho izy ny fampiharana ny tondrozotra. Ankolafy roa no manaiky azy ary samy manana olona ao anatin’ny tetezamita, tsy tomombana anefa ny fiaraha-miasa. Ny ankolafy roa hafa, ny iray tsy nanasonia azy io moa, dia mitazana ety ivelany fotsiny, mitaky ny hamerenana ny fomba nananganana ny governemanta sy ny parlemanta ary ny CENIT.
Eo amin’ny lafiny ara-teknika kosa dia mbola eo amin’ny dingana faharoa, dia ny fametrahana ny rantsa-mangaikany any amin’ny faritra ny CENIT, andrasana amin’ny 21 aprily izao ireo iraky ny ONU, hisy ny fanadihadiana lalina ho atao, mbola hihaona ny fiarahamonim-pirenena sy ny CENIT, ho fantarina avy eo hoe fanitsiana ny lisi-pifidianana ve no atao sa tena fanavaozana lisi-pifidianana vaovao mihitsy. Aorian’izay vao mety ho fantatra ny fifidianana atao sy ny daty hanatanterahana azy.
Mbola resaka hafa mihitsy ny hoe fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny famotsoran-keloka amin’ireo raharaha mafampana nitranga taorian’ny 2009. Sarotra ny fampihavanana sy fikarohana ny marimaritra iraisana satria tsy mbola vonona amin’izany ny mpanao politika sasany voan’ny tazom-pahefama sy nahazo tsirony amin’ny sezany. Mitombina mihitsy ilay hoe tsy tokony ho famotsoran-keloka mba hahafahan’ny sasany mirotsaka hofidiana fotsiny no atao eto, fa tena fifamelana goavana eo amin’ny mpiara-monina rehetra eto amin’ity Madagasikara ity, tahaka ny natao tatsy Afrika Atsimo. Mila madio fo ny rehetra izay vao miroso amin’ny tena fanarenana ny firenena, fa raha tsy izany dia andraso eo i Paoly e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.