Edito

Fifamelana faobe


  • Alakamisy 09 Desambra 2010


Mety tsy hahafaly ny olona sy ny vondrona politika sasany ny resaka hoe fifamelana sy fanatanterahana ny famotsoran-keloka faobe, noho ny antony maro samihafa, fa anisan’ny voalohany amin’ireny ny fahatsapana fa niharan’ny tsy rariny izy ireo ary nisy ny nanararaotra sy nanambaka ny hafa teto. Raha tena hanorina fototra vaovao mafy anefa ny firenena iray dia tsy afa-miala amin’io fifamelana io, ary amin’izao fotoana dia efa mivezivezy any amin’ireo etamazaoro politika maro samihafa ary efa tonga eny amin’ny parlemanta mihitsy aza ny soso-kevitra amin’ny hanatanterahana izany. Efa manomboka mitombo isa ihany koa ireo mpanao politika, eny fa na ny ao anatin’ny FAT aza dia tonga saina fa tsy ho mafy fototra izany Repoblika vaovao izany raha mbola misy ny lonilony sy ny alahelo am-po amin’ny samy Malagasy na mpitondra io, na mpanao politika, na olon-tsotra. Tsy resaka kolontsain’ny tsimatimanota mihitsy izany hoe : fifamelana faobe izany, fa toetsaina farany ambony sy mendri-piderana avy amin’ny mpanao politika, hoy indrindra Atoa Ndremanjary Jean André avy ao amin’ny Hery Politika Mitambatra raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo ny talata lasa teo.

Rehefa nahavita nifanaiky ny heloka nataony sy nifamela ny mpanao politika dia tsy maintsy miara-miaiky manoloana ny vahoaka Malagasy ny tsy nety nataon’izy ireo nandritra ny fitondrana nifandimby notantanany. Io ilay nambara tery ambony hoe mety ho sarotra ekena ihany ho an’ny sasany kanefa mahasoa ny fiarahamonina misy eto. Ny tena mampanahy mantsy amin’ny tsy fisian’ny fifamelana fa mampiroborobo kosa ny fanenjehana sy ny fanagadrana noho ny antony tsy dia mazava firy, dia hihodina eny ny volana sy ny taona, ary mety tsy maintsy mbola hiverina eo amin’ny fitondrana ihany ireo henjehana amin’izao fotoana, dia hamaly faty indray, hany ka tantara ratsy miverimberina noho ny tsy fifankahazoana maharitra eo amin’ny mpanao politika no iainan’ny Malagasy.

Tsy misy mahazo tombontsoa amin’izany mihitsy anefa afa tsy ireo izay tsy mahalala afa tsy ny hameno ny paosiny, koa velom-bolo indray ny valalabemandry amin’izao vanim-potoanan’ny krismasy izao izay andron’ny fifamelana sy ny fifankatiavana fa mba tena hilatsahan’ny Fanahy Masina ny mpanao politika ka hahay hampandefitra ny hambom-pon’izy ireo ary hijery izay mahasoa ny rehetra. Efa roa taona no nisian’ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso, ny fanenjehana, ny fanagadrana ny fanakatonana onjam-peo, ny faneriterena ny asa fanaovan-gazety teto saingy iaraha-mahita izao ny vokany fa tsy nivaha ny krizy ary vao mainka niha mafy aza ny vidim-piainana. Koa tsy rariny kosa ve raha mba misafidy indray ny lalana faran’izay tsotra kanefa azo antoka indrindra dia ny fifamelana faobe ny rehetra !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT