Edito

Fientanam-po hafa mihitsy !


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Rivotra hafa mihitsy no iainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao eo anatrehan’ny fiatrehantsika ny dingana famaranan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na ny “CAN 2019”, izay sambany teo amin’ny tantara.

 

 Mety mandeha ny kiana madinidinika, saingy ny fo sy ny sain’ny rehetra, dia manohana tanteraka ny Barean’i Madagasikara na ho inona na ho inona vokatra azo eo. Hafa mihitsy ny fientanam-po mijery sy mahita amin’ny fahitalavitra, fa tsy nofinofy intsony ilay Malagasy mandray anjara amin’ny CAN. Somary takona hatramin’ny resa-politika na koa ny manodidina ny fetin’ny fahaleovantena fa ny “resa-CAN” no toa mibahan-toerana eny rehetra eny. Mahafinaritra sy mampirehareha ny mahita ny ekipam-pirentsika milahatra sy tsy mena-mitaha amin’ireo ekipam-pirenena vaventy aty Afrika. Na izany aza andeha todihana kely ihany ny raharaham-pirenena satria zava-dehibe izany fetin’ny fahaleovantena izany. Ho avy i Paul Kagame izay filoha mahay sy mendrika indrindra aty Afrika. Fa mba ho avy eto ve ny filoha Maorisianina na ny filohan’i Sénégal izay nireharehan-dRajoelina sy nametraka azy ho vahiny manokana sy manan-kaja indrindra tamin’ny fetim-pirenen’ireo araka ny reharehan’ny mpitondra ? Tsy fantatra hatreto ! Tena manisy valerany ilay filoha Malagasy na koa ny firenentsika tokoa ve ary ireny sa mitady bizina toy ilay ambara fa homena 80ha fotsiny ? Mba tonga saina amin’izany ve ny filoha sy ny ekipany ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT