Edito

FIBEMIH 10 taona Amin’ny 2 aogositra ny ivon’ny fankalazana


  • Alatsinainy 07 Jolay 2014

Natolotry ny filohan’ny FIBEMIH na Fikambanan' ny Betafo Miray Hina, Atoa Ratianiriniaina Jean Théobert na Rathéo, ho biraon’ny fikambanana sy ho Ivontoerana hifanakalozana sy ho fampiofanana ary ho fanabeazana sy fialamboly ny tanànany ao Imerimandroso Atsinanantsena Betafo..

10 taona ao anatin' ny tombanezaka sy ny jery todika ho fanatsarana tanteraka ny ankehitriny sy ny ho avy ny FIBEMIH. Miara-mamolavola tetikasa mahomby sy mahavelona miainga amin'ny isan-tokantrano ny mpikambana. Efa misy ankehitriny ny "ecole de danse" ahitana ny karazan-dihy maro, eo am-pananganana ny "Ecole de foot-ball" ihany koa ny FIBEMIH amin' izao. Amin' ny 02 aogositra ho avy izao moa no hanamarihana ny ivon'ny fankalazana ity faha-10 taona niorenan' ny fikambanana ity. Toy ny fanao isan-taona dia nizara arendrina 400 ho an’ny zanaky ny mpikambana sy ireo mpiray tanàna tany Betafo niaraka tamin' ny labozia, ny alarobia 25 jona tao anaty fankalazana ny fetim-pirenena 2014 ny FIBEMIH.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT