Edito

Fiatsarambelatsihy


  • Alarobia 30 Martsa 2022

Vao avy nahatsiaro ny faha-75 taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947 izay isan’ny daty manamarika ny tantaram-pirenena isika izao.

 Isan’ny lohalaharana tamin’ny fanamarihana izany ny Filoham-pirenena omaly, izay tamina toerana roa mihitsy, dia teto Antananarivo sy Manakara. Maro ny toky nomena, raitra ny seho nentina nanehoana ny fanomezam-boninahitra ireo namoy ny ainy ho an’ny tanindrazana. 75 taona aty aoriana isika izao! Moa tena izao làlan-tsaina sy fomba fitantanana izao ve ilay nimatimatesan’ny Malagasy tena tia tanindrazana tamin’izany? Fampahoriana sy fampahatrana ny Malagasy izay miseho ankolaka na mivantana noho ny fitantanana tsy manjary ve no setrin’ny ra latsaka tamin’izany? Tsy finiavana hitsikera, ary samy nanao ny fahadisoany avokoa ny mpitondra nifanesy, saingy ny hita matetika mba hanadiovan-tena eto dia ny hoe: ry anona aza nanao izao sy izao. “Izahay aloha no eto izao, ka mahandrasa 2023!” Isan’ny fehezanteny nanamarika izao Fanjakana izao io manoloana ny kiana samihafa. Madagasikara iaraha-manana ity, ary sarotiny aminy ny Malagasy na misy aza ny sasany malailay fonosona sy miraviravy tànana. Malagasy mahaleo tena, misitraka ny taniny, tsy hanjakazakan’ny vahiny mpanandevo, tsy miankin-doha ara-toekarena, ara-mpampianarana, ara-kolontsaina,… no nahatonga ireo tia tanindrazana nanao ny tolom-panafahana. Ankehitriny, iza no mpitsikombakomba na lasa saribakolin’ny vahiny mihitsy mba hifehezana ny toekarena eto, hangoronana ny tanim-bahoaka eto, namotehana sy mbola hamotehana ny mpandraharaha Malagasy,…? Iza no mampiasa ny fahefana nomen’ny vahoaka mba hangalarana sy hangoronan-karena. Ny kolikoly sy afera maizina tsy hita tao anatin’ny 60 taona toa nipoitra avokoa. Ny fitantanana tsy mangarahara mirarakopana, ny volam-bahoaka robaina ankolaka. Taiza hatramin’ny naha Madagasikara an’i Madagasikara ohatra no nisy vilany novidiana 1200 000Ar tamin’ny volam-panjakana? Ny vola mba tahiry ho an’ny fisotroan-dronon’ny vahoaka ratsy tantana toa ataon’ny mpitantana tantely afa-drakotra, ny vidim-piainana etsy andaniny midangana andro aman’alina, ny vahoaka miha fadiranovana,… Tsy ana mpitondra mafia sy tontakely ireo razambe ka mila mahatsapa tena izay mahatsiaro ho voatsindrona maro be !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT