Edito

Fiarakaretsaka Tsy mandeha ny tsena


  • Zoma 18 Jolay 2014

Taorian’ny fetim-pirenena dia tsy nandeha toy ny teo aloha intsony ny tsenan’ny mpamily fiarakaretsaka na ny taxi

Tsy afaka mikaretsaka intsony izy ireo noho ny fitombon’ny fitohanan’ny fiara  manerana ny faritra maro sy ny  tsy fananan’ny olona vola. Ny fiara iray anefa dia tsy maintsy  manenjika 15.000 Ar  isan’andro omena ny tompon’ny fiara raha 10.000 Ar  teo aloha. Ankoatra io ny vola entina mody ho an’ny vady aman-janaka. Manampy trotraka io tsy fisian’ny tsenan’ny taxi io ihany koa ny fitaran’ny lalan’ny fiara fitateram-bahoaka na ny taksibe. Voakasik’izany manokana ireo mandalo eny amin’ny “digue”.  Aleon’ny mpandeha mikafiry mandeha bus raha mbola azo hiafiana ihany. Soso-kevitra aroson’ireo mpamily fiarakaretsaka  ny fanjakana ny tokony hijeren’izy ireo ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fanatsarana ny faripiainan’ny mponina eny ifotony hahafahan’ny  mpiarabelona miaina tsara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT