Edito

Fiarahamonina mitotongana


  • Zoma 10 Aogositra 2018

« …Tany fotaka, Aomby biby, vola taratasy, olombelo harena … »,

ampahana tsilalaonteny iray malaza fampiasan’ireo mpandinika fiarahamonina sy olombelona eto amintsika entin’izy ireo manazava ny fomba fandaharan’ny Malagasy ny singa mampihodina ny fiarahamonina eto Madagasikara io ary manome lanja ny olombelona izay mpamolavola ireo fitaovana 3 ireo hahafahany mamokatra ho fiveloman’ny rehetra. Raha ny zava-misy ankehitriny anefa dia miha mihataka izany satria miaiky ny rehetra fa manjaka ny vola. Ilay teny hoe « olombelo harena » misy manampy kianteny « no » eo afovoany ka adika vilana hoe « olombelona no harena ». Toa mifono hevitra ambadika ilay izy hoe ny olombelona irery no harena. Iza ary ilay mpanavkarena mitetika hampiasa samirery io heveriny ho fitaovana hoe olombelona io ? Isan’andro, isan’ora dia miha mahatsikaritra fitaka amin’ny alalan’ny tsilalaontenin’ireo manampahefana foana ny vahoaka tsy mandady harona, hany ka hatrany dia efa taratra ny fitotongan’ny fiarahamonina ary voaporofo tato ho ato tamin’ny fomba amam-panaon’ny kandida ho filoham-pirenena sasantsasany. Lasa mamy ho an’ireo 2% fatra-pamitaka ny 98% ny manambaka. Ny lovataranaka natakalo ny lovatarazo. Ny nentin-paharazana miha ariana tsikelikely fa aleo miroso lalina amin’ny nentim-pahazarana. Satry foana ny hiventy ny hoe “Sarotra ny miala amin’ny mahazatra” na dia hita izao fa fahazaran-dratsy aza sisa no manjaka eto.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT