Edito

Fiaraha-mionona


  • Alarobia 01 Desambra 2021

Samy mahatsikaritra ny maro fa mitotongana ankehitriny ny fiarahamonina Malagasy. Miha mitotongana hatrany aza satria efa an-taonany ihany izay nilazana teto

 izay hoe miha tsy mahay mifamelona intsony isika fa mifanararaotra sy mifanambaka lava. Naha ankona ihany ny naheno fahasahiana tanora mbola mpianatra eny amin’ny lisea sahy nilaza am-pahibemaso amin’ny haino aman-jery omaly fa “tsy maintsy hamaly faty” ny namany izy ireo. Ekena fa tsy vaovao amin’ny fihetseham-po miala sakana hatramin’izay ny tranga tahaka ireny voalaza ho fifanandrinana mpianatra lisea miisa 2 samihafa ireny saingy matoa voatery hidirana mpitandro filaminana dia heverina fa efa marimpana avoavo izy izay. Enga anie mba hivaha hatreo ny olana. Omaly sy afaka omaly fotsiny izany dia efa nisy iny tranga teto an-drenivohitra sy tao Bekily izay mbola andrasana mandrak’anio iny ny mety ho tohiny. Ny fotodrafitrasa izingizinina ho “manara-penitra” nefa dibo-drano iononan’ny rehetra fotsiny ny fanazavana mikasika azy izay milaza hoe tsy rano avy ao anatin’ilay kianja io fa avy amin’ireo toerana manodidina. Tsy misy fenitra azo napetraka nisakanana ny fidiran’izany rano izany nialoha ve izany? Ny fitakiana trosa amin’ny fanjakana Malagasy izay ailika amina orinasam-panjakana mitsipozipozy dia mbola iononana koa ny fanazavana mikasika izany. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ary mitombo ireo maty heritreritra izay mampametra-panontaniana hoe mampandry saina ve izany milanja zaza 5 taona anaty gony nandritry ny 2 volana izany? Mbola olombelona sy Malagasy ve no manao izany? Ny sasany vady aman-janany izao no sahiny odorana na tetehina na koa vonoina an-kitsirano. Ny mahagaga ankehitriny anefa dia toa samy mitaza-potsiny izany sy izay tsy voatanisa rehetra ny fiarahamonina Malagasy ankehitriny izay toa hafahafaha ihany satria lasa fiaraha-mionona sisa izany.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT