Edito

Fiantombohan’ny fiafarana


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Tsy isika no handeha hanome lesona ny Filoham-pirenena sy ny fitondrana izay tarihiny, saingy manana zo hiteny sy haneho hevitra ihany angamba eo anatrehan’ny fahapotehana sy fitotonganan’ny firenena ankehitriny,

ka anisan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitantana. Antony telo goavana no mampihemotra firenena matetika, raha ny fandinihan’ny manam-pahaizana: ady an-trano mahatsiravina, loza voajanahary goavana, ary tsy fahaiza-mitantana. Tsy ahitana an’iretsy roa voalohany eto Madagasikara amin’ny ankapobeny. Tsy resaka tsy fitiavana na fankahalana manokana, fa raha ampitahaina amin’ny zava-nisy tany aloha, toa niha nitotongana hatrany ny fiainan-dRamalagasy tao anatin’ny fitondran’ireo mpitantana ankehitriny, niainga tany amin’ny tetezamita. Sarotra, ary toa fady anefa ny hiaiky ny tsy fahombiazana, ka asa hoe: rehefa inona no endrika isehoany vao ho tonga saina fa tena marary ny vahoaka? Ny zava-misy eto raha amin’ny politika, izay mihetsika hamoahana basy aman-tafondro, izay manelingelina azo ampirimina any am-ponja noho ny fanakianana sy ny fitanisana ny tsy mety, dia vesarana fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena sy mikasa hanongam-panjakana,… Rehefa hidiana ny làlana rehefa ahafahana maneho hevitra, maneho ny tsy fahafaham-po amin’ny fitantanana firenena, maneho ny tsy fahafaliana amin’ny afera maloto sy kolikoly, ny tsy fananana vahaolana amin’ny olam-bahoaka samihafa,… dia ireny miseho amin’ny endrika siotsioka sy fampanenoana anjomara ireny. Maro no maneho, fa tokony handinin-tena ihany eo anatrehan’ireny raha mbola manana henatra. Asa na mba ho taitra sy ho tonga saina ihany na mbola handeha ny fihantsiana sy ny vava tsy ambina samihafa. Izao no antsoina hoe: fiantombohan’ny fiafarana raha amin’ny politika ary sarotra harenina satria efa nahazoan’ny Malagasy lesona izay am-polony taona nitantanana ny firenena izay. Mety misy ny mbola ho voafitaka amin’ny lango malefaka sy fampanantenana misavovona, saingy betsaka ihany koa no efa maneho fa afo nandoro ny làmba ity, ka tsy hiverenana intsony. Ny ao anaty fitondrana aza toa efa mifanipaka an-karona, ny vahoaka betsaka no tofoka ka inona intsony no antenaina amin’izany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT