hoy ilay tanora iray nalaza
tamin’ireny tolona nisy farany teto amin’ny firenena ireny izay! Na anatina adihevitra io, eny fitarihana adihevitra, na anaty fandraisana fanapahan-kevitra dia misy foana ny heverina hoe anatra na fianarana azo raisina ao anatin’ireny rehetra ireny. Tsy hoe eo am-pandraisana fanapahan-kevitra akory vao hianatra fa ny atao rehetra mihitsy no mahasoa lavitra raha toa ka andraisana fianarana hatrany. Ireny moa avy eo ilay miofo ho traikefa. Tsy miafina amin’ny rehetra amin’izao fotoana izao fa tsy manana izany traikefa amin’ny fitantanana firenena izany ny filohan’ny fanavaozana sy ireo mpanolontsaina ambony miara-mitantana aminy ankehitriny izao firenena malagasy izao. Tsiahivina hatrany koa anefa fa nialohan’ny fipoahan’ireny 25 septambra 2025 ireny dia nisy fahasorenam-bahoaka goavana notsinontsiniavin’ireo mpitondra tamin’izany fotoana izany tao. Nohamaivanin’ireo nantsoin’ny mpanara-baovao hoe «amazones» sasany niray lapa tamin’ny filoham-pirenena teo aloha mihitsy izany fitarainana izany. Tsy inona iny fa ny olan’ny herinaratra sy rano izay samy niaraha-nanaiky fa tsy zakan’ny maro an’isa intsony. Ny fitarainana momba izany no notsinontsiniavina teto nandritry ny 16 taona sy ny 7 taona farany nitondràn’ireo tandapa teo aloha. Nampitroatra olompirenena marobe hidina an-dalambe no niafaràny ary rehefa nampihozongozona mafy ilay fitondràna vao hoe andeha hifampidinika sy hifampiresaka. Talohan’izay nefa nohamaivaninao ny antsoantso mikasika ny mararin’ny olona. Na ny nianatra nihaino izany fotsiny aza tsy nataonao fa may Ambondrona vao nikoropaka, hoy ny fitenenana izay. Hiarahantsika mahita kosa izany io ankehitriny fa mba tsy ilazàna avy hatrany hoe tena mihaino dia andeha atao hoe mianatra mihaino ny olompirenena sy ny vahoaka malagasy ny fitondràna vaovao. Azo lazaina hoe mbola vaovao kosa tokoa angamba satria mbola tsy ampy 2 volana izany izao, raha iverenana ny kajy tsotsotra. Mianatra mihaino ary antenaina fa tsy ho ela dia tena hahay hihaino. Mianatra mamaha olona ary antenaina fa tsy maintsy hahay hamaha olana ihany na dia heverina hoe tsy niomana ny handray ny fitantanana ilay firenena aza amin’ny maha nijoro hitondra rafitra vonjimaika azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.