Raha ny zava-nisy tato anatin’ny herinandro no jerena dia miroso indray any amin’ny fifampidinihan’ny samy Malagasy eto an-toerana isika.
Nahay nandray lesona tamin’ny teny Vontovorona, volana aogositra 2010, ny CNOSC ka efa nanova fomba famindra ary matotra kokoa amin’ny fikarakarana ireo karazana fihaonana. Hatomboka any amin’ny faritra ny asa ary hofaranana amin’ny fihaonambe eto an-drenivohitra. Raha tsorina ny resaka dia hanao fihaonambem-paritra sy fihaonambem-pirenena mba hiadian-kevitra sy hamoahana marimaritra iraisana hivoahana amin’ny krizy ny CNOSC. Ho sarotsarotra ho an’ny FAT ihany ny hilaza indray fa fandanian’andro na zavatra tsy ahitam-bokany ity hetsika karakarain’ny fivondronan’ny fiarahamonim-pirenena ity satria efa tena maro be ny olon-tsotra, fikambanana na antoko politika resy lahatra fa ilaina io diniky ny samy Malagasy io hanampiana tosika ny asa fanelanelanana nataon’ny SADC izay hita fa mikatso ankehitriny. Etsy ankilan’izay dia efa somary taitra ihany koa ry zareo Raiamandreny Mijoro, izay nambara fa akaiky kokoa ny FAT ka nanomboka nandefa antso ny amin’ny maha zava-dehibe ny fifampidinihana. "Misy raha donc ao !", matoa miova hevitra tahaka izany ny Raiamandreny Mijoro izay nanitrikitrika hatrizay fa efa vita ny fihaonambem-pirenena ka tsy mila averina intsony.
Mahita ny maro fa mety hahatsara kokoa ny fandaminana ny firenena raha miara-miasa izy roa tonta voalaza tetsy ambony ireo ka tena averina mihitsy ny fihaonambem-paritra sy ny fihaonambem-pirenena, ka amin’ity indray mitoraka ity kosa dia tsy asiana fanavakavahana na fanilihana intsony fa avela handray anjara avokoa ny fironana politika rehetra sy izay olona manan-kevitra handaminana ny firenena, ary tsy tokony hifantoka amin’ny famahana ny krizy nanomboka tamin’ny 2009 fotsiny ny resaka fa mamoaka fonjan-kevitra vaovao mihitsy mba tsy hampiverina ny krizy eto intsony any aoriana.
Dia efa zavatra hafa kosa indray angamba no tadiavin’i Andry Rajoelina sy ny ekipany raha toa ka hody fanina amin’ity hetsika ity ry zareo ary izay vao mety tena hivadika amin’izy ireo ny vahoaka efa tena reraky ny krizy sy vavolombelona mahare sy mahita isan’andro ny tsy rariny sy ny fanaparam-pahefana ataon’ny olona ambony sasany. Fiaingana vaovao mihitsy no azo hamaritana izany rehetra izany ary raha tanteraka soa aman-tsara ity hetsika ketrehan’ny CNOSC ity dia mety averina mihitsy ny fanoratana ny lalàmpanorenana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Mazava izany izao fa tsy ny hevitry ny vahoaka tamin’ny alalan’ireo solontenany no nivoaka fa izay nahametimety ny FAT sy hahafahany manilika ireo mpifanandrina aminy fotsiny. Raha neken’ny vahoaka maro an’isa marina mantsy ny lalàmpanorenana vaovao dia tokony ho efa niroso lavitra ny lalan’ny fitondrana tetezamita fa tsy mihodinkodina an-toerana fotsiny tahaka ny nisy tato anatin’ny roa taona. Dia ho hita eo ity fiaingana vaovao ity raha hisy vokany tsara na hitsefotra satria tsy hipetra-potsiny ny FAT fa tsy maintsy hikaroka ny fomba rehetra hampanjakana ny heviny sy handrakofana ny an’ny hafa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.